bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 30
Jeremiah 30
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 31 →
1
Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia:
2
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.
3
Fa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»
4
Izao no teny nolazain’i Iaveh, ny amin’i Israely sy i Jodà:
5
Izao no lazain’i Iaveh: Feo mahatsiravina no efa renay; fahatahorana izao, fa ny fiadanana tsy mba nisy!
6
Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?
7
Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.
8
Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;
9
fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, sy an’i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy.
10
Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.
11
Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
12
Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao;
13
tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.
14
Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao, tamin’ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan’ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao.
15
Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatranao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan’ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan’ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.
16
Koa izay rehetra mandany anao, holanina; izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo; izay mamabo anao, hobaboina; ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.
17
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
18
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.
19
Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;
20
ho tahaka ny taloha ny zanany; hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany, ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.
21
Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -
22
Ary ianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.
23
Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka: mivatravatra ny ranonoram-baratra, miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
24
Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy: ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52