bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 31
Jeremiah 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 32 →
1
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely, ary izy ireo ho oloko.
2
Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.
3
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
4
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
5
Hamboly ny tanimboalobokao indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty.
6
Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe: «Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika!»
7
Fa izao no lazain’i Iaveh: Mihobia an-kafaliana, ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: «Ry Iaveh, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely!»
8
Indro Aho mamerina azy avy any amin’ny tany avaratra; manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.
9
Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraima.
10
Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;
11
Satria i Iaveh, efa nanavotra an’i Jakôba, sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.
12
Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
13
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
14
Hovokisako ny matavy ny fanahin’ny mpisorona; ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko; - teny marin’i Iaveh. -
15
Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
16
Izao no lazain’i Iaveh: Sakano ny feonao tsy hitaraina ary ny masonao tsy hitomany; fa hahazo valisoa ny asanao, - teny marin’i Iaveh. - Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.
17
Misy fanantenana ho amin’ny fara andronao, - teny marin’i Iaveh, - ary dia hiverina ho amin’ny faritaniny indray ny zanako.
18
Reko ny fitarainan’i Efraima hoe: «Nofaizanao aho, ka voafay, toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria ianao no Iaveh Andriamanitro;
19
Fa nony efa nivily aho, dia nanenina; ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana sady menatra sy nangaihay, satria mitondra ny fahafaham-barakan’ny fahatanorako aho.»
20
Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy Aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy? Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -
21
Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao, tandremo ny lalam-be, ny lalana efa nalehanao. Miverena, ry virjinin’i Israely, miverena atỳ amin’ny tanànanao indray. Mandra-pahoviana no hiriariavanao, ry zanaka vavy mpiodina?
22
Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh: vehivavy hanodidina lehilahy.
23
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Izao teny izao koa no holazaina any amin’ny tanin’i Jodà, sy amin’ny tanànany, raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin’izy ireo: Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, ry firenen’ny fahamarinana, ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24
Honina ao avokoa i Jodà sy ny tanànany rehetra, ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.
25
Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko, ary ny fanahy reraka, hovokisako.
26
Tamin’izay, dia nahatsiaro aho, ka hitako fa mamy ny torimaso azoko.
27
Indro, avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà, masombolin’olombelona sy masombolim-biby. Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo: hongotana, hazera, harodana, horavana ary hampahorina,
28
no hiambenako azy kosa, haorina sy hambolena, - teny marin’i Iaveh. -
29
Amin’izany andro izany, tsy hisy intsony hanao hoe: Ny ray no nihinam-boaloboka maharikivy, ka ny zanany no madilo nify.
30
Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olon-drehetra: izay mihinam-boaloboka maharikivy, na iza na iza, dia izy ihany no hadilo nify koa.
31
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
32
ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
33
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
34
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
35
Izao no lazain’i Iaveh, izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro; sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana hanazava amin’ny alina; mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany; - i Iavehn’ny tafika no Anarany: -
36
Raha mitsahatra izany lalàna izany, na oviana na oviana, eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh, - dia hitsahatra amin’izany koa ny taranak’i Israely, tsy ho firenena mandrakizay eo anatrehako.
37
Izao no lazain’i Iaveh: Raha azo refesina ny lanitra ambony, ka azo takarina ny fanorenan’ny tany ambany, dia hakìfiko koa ny taranak’i Israely rehetra, noho izay rehetra efa nataony, - teny marin’i Iaveh. -
38
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh, hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.
39
Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy, eo amin’ny havoan’i Gareba, ka hasangodina ho any Gôà.
40
Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra, mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna, ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh, ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52