bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 41
Jeremiah 41
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
1
Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.
2
Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany,
3
mbamin’ny Jodeanina rehetra, izay tao aminy, dia tao amin’i Godoliasa, tao Masfà; novonoin’i Ismaely koa ny Kaldeanina sendra tao, dia ny olona mpiady.
4
Nony afak’ampitson’ny andro namonoana an’i Godoliasa, raha mbola tsy nisy olona nahalala izany akory,
5
nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.
6
Nivoaka avy ao Masfà i Ismaely zanak’i Nataniasa, hitsena azy ireo, sady nitomany ka nony tafahaona taminy, dia nanao tamin’izy ireo: «Andeha ianareo ho ao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama.»
7
Kanjo vao tonga teo afovoan’ny tanàna izy ireo, dia novonoin’i Ismaely, zanak’i Nataniasa sy iretsy olona niaraka taminy, ka natsipiny tao afovoan’ny lava-drano.
8
Nisy folo lahy tamin’izy ireo anefa, nilaza tamin’i Ismaely hoe: «Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varimbazaha, orja, diloilo, sy tantely.» Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an’ireo teo afovoan’iretsy rahalahiny.
9
Ny lava-drano nanarìan’i Ismaely ny fatin’ireo olona novonoiny noho ny amin’i Godoliasa, dia ilay nataon’i Asa, mpanjaka, noho ny amin’i Baasa, mpanjakan’i Israely, io no nofenoin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, faty.
10
Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.
11
Nony ren’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaely zanak’i Nataniasa,
12
dia nitondra ny miaramilany rehetra izy ka niainga hiady amin’i Ismaely zanak’i Nataniasa; tratrany tao akaikin’ny kamory lehibe ao Gabaôna io.
13
Faly ireo vahoaka rehetra teo amin’i Ismaely, nony nahita an’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra niaraka taminy,
14
ka niverina nandeha nikambana tamin’i Johanàna zanak’i Karea, avokoa ny vahoaka rehetra nentin’i Ismaely ho babo avy any Masfà.
15
Fa i Ismaely zanak’i Nataniasa no afa-nandositra teo anatrehan’i Johanàna ka nankany amin’ny taranak’i Amôna, nomban’ny olona valo lahy.
16
Noraisin’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an’i Godoliasa, zanak’i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonòka, ka nentiny niverina avy any Gabaôna izy ireo.
17
Dia nandeha izy ireo, ka teo amin’ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin’i Betlehema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta,
18
nanalavitra ny Kaldeanina izay natahorany, noho ny namonoan’i Ismaely zanak’i Nataniasa an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna, ho governoran’ny tany.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52