bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 52
Jeremiah 52
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
1
Ary 21 taona i Sedesiasa fony izy tonga mpanjaka; ary 11 taona izy no nanjaka tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amita, zanaka vavin’i Jeremia, avy ao Lobnà.
2
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nianatra izay rehetra nataon’i Jôakima.
3
Ary noho ny fahatezeran’i Iaveh no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy i Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan’ny tavany. Ary i Sedesiasa dia nidina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna.
4
Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;
5
ary natao fahirano ny tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesiasa.
6
Nony tamin’ny volana faha-4, andro fahasivin’ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-kohanin’ny vahoakan’ny tany; koa tamin’izay,
7
dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.
8
Nenjehin’ny miaramila Kaldeanina anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra.
9
Nosamboriny ny mpanjaka, dia nentina niakatra any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Hemata, dia namoaka teny fitsarana momba azy izy.
10
Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imason-drainy ireo zanaka lahin’i Sedesiasa; novonoina tao Reblà koa ny mpanapaka rehetra tamin’i Jodà.
11
Raha efa izany nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ka nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy, ary nentin’ny mpanjakan’i Babilôna nankany Babilôna izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
12
Tamin’ny volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, dia izay taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, izay mpandraharahan’ny mpanjakan’i Babilôna;
13
ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.
14
Ary noravan’ny miaramila Kaldeanina rehetra, nanaraka ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda nanodidina an’i Jerosalema.
15
Nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo ny sasany tamin’ny olo-mahantra indrindra, mbamin’ny olona sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ireo efa nitsoaka nanatona ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny mpanao taozavatra sisa.
16
Navelan’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ihany anefa ny olo-mahantra sasany tamin’ny tany ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
17
Novakivakin’ny Kaldeanina ny andry varahina amin’ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny ranomasina varahina sy ny fanambaniny izay tao an-tranon’i Iaveh, dia nentiny nankany Babilôna ny varahina tamin’ireo.
18
Nentiny koa ny vilany, ny lapelina, ny antsy, ny vilia kely, ny kôpy, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, fitondra manao ny fanompoana.
19
Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny tavin-drano, ny fanembohana, ny vilia kely, ny vilany, dia izay vita amin’ny volamena sy ny volafotsy.
20
Ny amin’ny andry roa, ny ranomasina, mbamin’ireo omby varahina 12 nitaingenany sy ny fanambaniny, izay nampanaovin’i Salômôna mpanjaka, tao an-tranon’i Iaveh, dia tsy nisy tokony handanjana ny varahina tamin’ireo fanaka rehetra ireo.
21
Ny amin’ny andry, dia 18 hakiho no haavon’ny andry iray, ary kofehy 12 hakiho no nandrefy azy manodidina, ary voatondro efatra ny hateviny, ary poaka aty izy.
22
Nisy loha andry varahina ny tampony; dimy hakiho no haavon’ny loha andry iray; nisy harato sy ampongabendanitra ny manodidina ny loha andry, ary varahina avokoa izany. Torak’izany koa ny andry faharoa, mbamin’ny ampongabendanitra.
23
Ampongabendanitra 96, no tamin’ny lafiny, ary 100 no isan’ny ampongabendanitra rehetra tamin’ny harato, amin’ny manodidina rehetra.
24
Nalain’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, i Sôfônia mpisorona amin’ny filaharana manarakaraka, ary ny mpiandry varavarana telo lahy.
25
Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra anankiray, mpifehy ny olo-mpiady, olona fito lahy, anisan’ny mpanolo-tsaina manokan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin’ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin’ny tany 60 lahy izay hita tao an-tanàna.
26
Nosamborin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, any Reblà.
27
Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna ireo, sy nataony maty tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo, lavitry ny taniny.
28
Izao no isan’ny olona nentin’i Nabokodonozora ho babo: Lehilahy avy amin’i Jodà 3.023, tamin’ny taona faha-7;
29
olona tamin’ny mponina tao Jerosalema, 832, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora;
30
lehilahy avy amin’i Jodà 745, nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo, tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Nabokodonozora. 4.600 no tontalin’izy rehetra.
31
Tamin’ny taona faha-37 nahababo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, volana faha-12, andro faha-25n’ny volana tamin’ny taona vao nanjakan’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, dia nampitràka ny lohan’i Joasina mpanjakan’i Jodà izy io, ka navoakany hiala tao an-tranomaizina.
32
Nanaovany teny be halemem-panahy; nasandrany ho ambony noho ny seza fipetrahan’ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilôna;
33
nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.
34
Ny amin’ny fivelomany, ny fivelomany hatrany hatrany dia ny mpanjakan’i Babilôna no niantoka azy isan’andro, mandra-pahafatiny, tamin’ny andro rehetra niainany.
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52