bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 16
Jeremiah 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
«Aoka ianao tsy haka vady, ary tsy hanana zanaka lahy na zanaka vavy, amin’ity tany ity.»
3
Fa izao no tenin’i Iaveh: «Ny amin’ny zanaka lahy aman-janaka vavy, teraka amin’ity tany ity; ny amin’ny reny miteraka azy, sy ny amin’ny rainy miteraka azy, amin’ity tany ity:
4
Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»
5
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana, aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo; fa ny fiadanako dia efa noesoriko tamin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.
6
Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa, nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy; tsy hisy hiteti-tena na hibory noho ny aminy ny olona.
7
Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin’ny fisaonana, ho fampiononana azy raha mana-maty; ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana noho ny amin’ny ray na ny reny.
8
Aza mankeny amin’ny trano fanasana ianao, mba hiara-mipetraka aminy, hihinana sy hisotro.
9
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.
10
Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity, ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe: ‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha izany lozabe rehetra izany? Inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›
11
Dia izao no holazainao azy: Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, - teny marin’i Iaveh; - sy andriamani-kafa no narahin’ireny, notompoiny, nivavahany; fa Izaho nilaozany, ny lalàko tsy notandremany.
12
Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza; ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo, mba tsy hihaino Ahy.
13
Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo; ho any amin’ny tany tsy fantatrareo, na ianareo na ny razanareo; ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa andro aman’alina; fa tsy hamindra fo aminareo Aho.
14
Noho izany indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana itsony hoe: Velona i Iaveh! izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra avy any amin’ny tany Ejipta;
15
fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra avy any amin’ny tany avaratra, sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy. Fa hampodiko amin’ny tany efa nomeko ny razany izy.
16
Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.
17
Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany; ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.
18
Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.»
19
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
20
Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany? Tsy Andriamanitra akory anefa izany!
21
Koa indro hampahafantariko azy ireo amin’ity indray maka ity, hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52