bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 50
Jeremiah 50
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 51 →
1
Ny teny notononin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Babilôna sy ny tanin’ny Kaldeanina.
2
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
3
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin’i Iaveh. -
4
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.
5
Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»
6
Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.
7
Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh, ilay fonenan’ny fahamarinana; tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»
8
Mandosira, mialà ao afovoan’i Babilôna ianareo, ary mitsoaha miala ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina; aoka ho toy ny osy lahy, lohalalan’ny andiam-biby fiompy.
9
Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.
10
Dia horobaina i Kaldea, ho voky avokoa izay handroba azy, - teny marin’i Iaveh. -
11
Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely eny an-tanim-bilona ianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!
12
Safo-kenatra ny reninareo; mivoaramenan’ny henatra ilay niteraka anareo. Indro izy, fa faraidiny amin’ny firenena, efitra, tany foana, tany karankaina!
13
Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.
14
Milahara hamely an’i Babela, manodidina azy, ianareo mitana tsipìka rehetra. Tofiro izy, aza itsitsian-jana-tsipìka, fa nanota tamin’i Iaveh.
15
Manaova akoran’ady amin’ny manodidina azy, hatraiza hatraiza; manandra-tanana izy, mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany. Fa famalian’i Iaveh izao: ampitondray valim-bonoana izy: toraky ny nataony no ataovy aminy!
16
Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano. Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!
17
I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.
18
Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hamangy ny mpanjakan’i Babela sy ny taniny, toy ny efa namangiako ny mpanjakan’i Asiria.
19
Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada, izy no handeha hivoky.
20
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.
21
Miaraka hamely ny tanim-piodinana, sy hamely ny mponim-panasaziana, ravao, aringano mifanarakaraka izy, - teny marin’i Iaveh, - ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.
22
Fikotrokotrok’ady eny amin’ny tany sy fandringanana be!
23
Ahoana re no naharava sy montsana ilay fampohazan’ny tany rehetra? Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko, eo afovaon’ny firenena?
24
Nofandrihako tamin’ny tady vavarana ianao, ka voa, ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany; hita ianao ka voasambotra, satria nila ady tamin’i Iaveh.
25
Novohan’i Iaveh ny firaketam-piadiany; ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany; fa ananan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, raharaha ny tanin’ny Kaldeanina.
26
Avia hamely azy avokoa ianareo any rehetra any, vohay ny sompiny ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levòny; fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.
27
Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.
28
Fikiakiak’ireo mandositra, sy ireo mitsoaka miala amin’ny tanin’i Babela! Manambara any Siôna ny famalian’i Iaveh Andriamanitsika izy, dia ny famaliany noho ny amin’ny tempoliny!
29
Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy ianareo; aza misy afa-mandositra! Valio araka ny asany izy. Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.
30
Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany, ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh. -
31
Indro Aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha! - tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, - fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamangiako anao.
32
Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy, ka tsy hisy mpanarina; horehetako afo ny tanànany, ka ho levon’izany avokoa ny manodidina azy.
33
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ampahorîna ny zanak’i Israely mbamin’ny zanak’i Jodà miaraka aminy koa; mitana azy avokoa izay nitondra azy ho babo, fa tsy mety mandefa azy.
34
Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.
35
Sabatra hamely ny Kaldeanina, - teny marin’i Iaveh,- sy hamely ny mponina ao Babela, sy hamely ny mpanapaka aman’olon-kendriny!
36
Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy! Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!
37
Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!
38
Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampiny ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
39
Koa ny biby any an’efitra aman’amboadia no honina eo, ny ostritsa no hiorim-ponenana eo; fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay; tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.
40
Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy, - teny marin’i Iaveh, - no tsy hisian’olona monina eo; ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.
41
Indro misy firenena avy any avaratra; firenena lehibe, omba-mpanjaka maro, no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.
42
Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana; olo-masiaka tsy mahalala antra izy. Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony, mitaingin-tsoavaly izy, milahatra hoatra ny olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.
43
Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
44
Indro izy miakatra toy ny liona, avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva, fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao, ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao. fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy, ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?
45
Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina; Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy; ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona!
46
Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela, ka misy antso re any amin’ny firenena.
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 51 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52