bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 22
Jeremiah 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
1
Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,
2
ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe: «Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»
3
Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.
4
Raha tanterahinareo tsara izao teny izao: ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity, mitaingina kalesy aman-tsoavaly dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.
5
Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa ianareo, dia mianiana amin’ny Tenako Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ho rava no halehan’ity lapa ity.»
6
Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.
7
Efa manomana mpandrava hamely anao Aho, ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo; hokapainy ny sederanao voafantina, dia hatsipiny amin’ny afo.
8
Firenena maro no handalo amin’ity tanàna ity, ka hifampilaza hoe: Nahoana no dia nataon’i Iaveh tahaka izao ity tanàna lehibe ity?
9
Ary hataon’ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.»
10
Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!
11
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy, sy efa niala tamin’ity fitoerana ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12
fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13
Mila loza izay manorina ny tranony tsy amin’ny rariny, sy ny rihany tsy amin’ny hitsiny; izay mampiasa maina ny namany, tsy mandoa ny karamany,
14
sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efitrano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay.
15
Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao? Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao? Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy, ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;
16
nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy, ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra. Moa tsy izany va no fahalalana Ahy, - teny marin’i Iaveh? -
17
Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.
18
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
19
Halevina toy ny fandevina ampondra izy hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.
20
Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy manandrata feo any Basàna! Miantsoa mafy any an-tampon’i Abarima, fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.
21
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!
22
Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao, noho ny haratsianao rehetra.
23
Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!
24
Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza I Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà dia hombotako hiala eo izy.
25
Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady ny ainao ianao, ho eo an-tanan’ireo mampangovitra anao eo anoloany; ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ho eo an-tanan’ny Kaldeanina.
26
Hatsipiko ianao sy ny reninao niteraka anao, ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any ianao no ho faty.
27
Fa ny tany hirìny hiverenana, dia tsy hiverenany.
28
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?
29
Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô, henoy ny tenin’i Iaveh!
30
Izao no lazain’i Iaveh: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny! Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hanjaka indray amin’i Jodà.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52