bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 37
Jeremiah 37
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
1
I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.
2
Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin’ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany.
3
Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»
4
I Jeremia nifanerasera teo afovoan’ny vahoaka ihany, ary mbola tsy natao an-tranomaizina.
5
Ny tafik’i Faraôna kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema, nony nandre izany, dia nanalavitra an’i Jerosalema.
6
Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
7
Izao no teny hataonareo amin’ny mpanjakan’i Jodà naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik’i Faraôna izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin’ny taniny any Ejipta indray;
8
ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.
9
Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»;
10
fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.
11
Tamin’ny nialan’ny tafiky ny Kaldeanina tao Jerosalema noho ny amin’ny tafik’i Faraôna,
12
dia nivoaka avy ao Jerosalema koa i Jeremia, hankany amin’ny tanin’i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin’ny vahoaka.
13
Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»
14
Fa hoy i Jeremia: «Tsy marina izany, tsy miandany amin’ny Kaldeanina aho.» Tsy nihaino izany akory anefa i Jeriasa, fa nosamboriny ihany i Jeremia, dia nentiny nankany amin’ny lehibe.
15
Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.
16
Nony efa tafiditra tao an-davaka ambanin’ny andohalambo i Jeremia, sady efa nitoetra tao andro maro,
17
vao nanirahan’i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: «Moa misy teny avy amin’i Iaveh?» Ka hoy ny navalin’i Jeremia: «Eny!» sady nampiany hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»
18
Hoy koa i Jeremia tamin’i Sedesiasa mpanjaka: «Inona no ratsy nataoko taminao na tamin’ireo mpanomponao na tamin’ity vahoaka ity, no dia nalatsakareo an-tranomaizina aho?
19
Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;
20
koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»
21
Dia nanome teny i Sedesiasa mpanjaka, hitana an’i Jeremia ao an-kianjan’ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan’andro avy any amin’ny araben’ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran’i Jeremia tao amin’ny kianjan’ny tranomaizina.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52