bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 34
Jeremiah 34
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 35 →
1
Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:
2
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity ka hodorany.
3
Ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho voasambotra marina tokoa ianao sy ho voatolotra eo an-tanany; ny masonao, hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilôna, izy hiteny mifanatrika aminao, ary ianao handeha ho any Babilôna.
4
Henoy anefa ny tenin’i Iaveh, ry Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà! Izao no lazain’i Iaveh aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,
5
fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan’ny olona zava-manitra ho an’ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao: «Indrisy! ry tompo!» satria Izaho efa nilaza izany, - teny marin’i Iaveh. -
6
Dia nolazain’i Jeremia Mpaminany, tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà tao Jerosalema, izany teny rehetra izany.
7
Tamin’izany ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna niady tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin’i Lakisa sy tamin’i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin’ny tanànan’i Jodà, tamin’ny tanàna mimanda.
8
Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema,
9
hitory fahafahana ho azy ireo mba handefasan’izy ireo ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny avy, dia ny lehilahy na vehivavy Hebrio, ka tsy hisy olona hitana ny Jody rahalahiny ao amin’ny fanompoana intsony.
10
Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.
11
Kanjo niova hevitra izy tatỳ aoriana fa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizy lahy sy ho ankizy vavy indray.
12
Koa tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh nanao hoe:
13
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanao fanekena tamin’ny razanareo Aho, fony Aho nitondra azy ireo nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nahandevozana, nanao hoe:
14
«Samia ianareo mandefa ny Hebrio rahalahiny izay namidy taminy avy, rehefa afaka ny fito taona; enin-taona no hanompoany anao, dia halefanao ho afaka izy hiala ao aminao»; tsy nihaino Ahy anefa ny razanareo na nanongilan-tsofina akory.
15
Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.
16
Kanjo niova hevitra indray ianareo ity, ka manevateva ny Anarako, samy mamerina ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny izay efa nalefanareo sy navelanareo hizaka tena avy ianareo, sy nanery azy ho tonga ankizy lahy aman’ankizy vavy indray.
17
Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. - teny marin’i Iaveh. - Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.
18
Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr’ombalahy nosasahina roa handehanany eo anelanelan’ny tapany avy,
19
dia ny filohan’i Jodà, ny filohan’i Jerosalema, ny eonoka ama-mpisorona mbamin’ny vahoaka, rehetra amin’ny tany namaky teo anelanelan’ny tapaky ny vantotr’ombalahy.
20
Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mitady ny ainy izy ireo, hohanin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany ny fatiny.
21
I Sedesiasa mpanjakan’i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tanan’ny fahavalony, eo an-tanan’ireo mitady ny ainy, eo an-tanan’ny tafik’i Babilôna izay efa lasa niala taminareo.
22
Indro manome didy Aho, - teny marin’i Iaveh - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52