bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 33
Jeremiah 33
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 34 →
1
Tonga fanindroany tamin’i Jeremia indray ny tenin’i Iaveh, raha mbola voafahy teo amin’ny kianjan’ny fiambenana izy, nanao hoe:
2
Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -
3
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
4
Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo trano eto amin’ity tanàna ity, mbamin’ireo tranon’ny mpanjakan’i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;
5
ary koa ny amin’ireo amin’ny fatin’olona, izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako, ary noho ny amin’ny haratsian’izy ireo ka hanafenako ny tavako amin’ity tanàna ity:
6
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
7
Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’i Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.
8
Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin’ny helony rehetra izay nanevatevany Ahy, izay niodinany tamiko.
9
Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.
10
Izao no lazain’i Iaveh: Eto amin’ity tany ity, izay lazainareo hoe; «Efitra tsy misy olona na biby», eo amin’ny tanànan’i Jodà, mbamin’ny araben’i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby,
11
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.
12
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.
13
Eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy eo amin’ny tanànan’i Sefelah sy eo amin’ny tanin’i Benjamina sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary eo amin’ny tanànan’i Jodà, dia mbola hizoran’ny biby fiompy eo ambanin’ny tanan’izay manisa azy, hoy i Iaveh.
14
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.
15
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
16
Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena; ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika».
17
Fa izao no lazain’i Iaveh: I Davida tsy ho diso zanaka lahy na oviana na oviana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’i Israely.
18
Ireo Levita mpisorona koa, tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako, hanolotra sorona dorana, hampanetona ny fanatitra, ary hanao ny sorona isan’andro isan’andro.
19
Ary ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Jeremia, toy izao:
20
Izao no lazain’i Iaveh: Raha mahafoana ny fanekeko amin’ny andro, sy ny fanekeko amin’ny alina, ianareo, ka efa tsy amin’ny fotoany intsony, ny andro sy ny alina:
21
amin’izany, dia ho foana ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janaka lahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin’ireo Levita mpisorona, manao fanompoana Ahy.
22
Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina, sy toy ny fasika any amin’ny ranomasina tsy azo afàtra, no hampitomboako ny taranak’i Davida mpanompoko, sy ireo Levita manao ny fanompoana Ahy.
23
Ary ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Jeremia, toy izao:
24
Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.
25
Izao no lazain’i Iaveh: Raha tahiny Aho tsy nanao fanekena amin’ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahin’ny lanitra sy ny tany.
26
dia amin’izany Aho vao hanary ny taranak’i Jakôba sy i Davida mpanompoko, ka ho tsy amin’ny taranany intsony ny hangalako filohany ho an’ny taranak’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo Aho.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52