bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 20
Jeremiah 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
1
Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrina ambony ny tranon’i Iaveh.
2
Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.
3
Ny ampitso dia nasain’i Fasora notsoahana amin’ny boloky hazo i Jeremia, ka hoy i Jeremia taminy: «Tsy i Fasora intsony no iantsoan’i Iaveh anao, fa i Magôra-Misabiba.»
4
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.
5
Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity, ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra, ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà, hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony; ka hobaboiny, halainy, hoentiny mankany Babilôna.
6
Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»
7
Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika, Nosamborinao, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan’andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
8
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’i Iaveh tonga fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.
9
Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
10
Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.
11
I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
12
Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny adiko.
13
Mihirà ho an’i Iaveh, miderà an’i Iaveh, fa manafaka ny fanahin’ny ory, amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.
14
Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! Tsy hotahina anie ny andro niterahan’i neny ahy!
15
Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin’ikaky, sy nanao hoe: Tera-dahy ianao! ka nahafeno hafaliana azy!
16
Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany! Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy, ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!
17
noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka, hahatonga an’i neny ho fasako, na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!
18
Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony, hahita fijaliana amam-pahoriana, sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52