bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 35
Jeremiah 35
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
1
Ny teny avy amin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:
2
Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.
3
Koa dia nalaiko i Jezoniasa zanak’i Jeremia zanak’i Habsaniasa, mbamin’ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian-dRekabita rehetra;
4
ka nampidiriko tao an-tranon’i Iaveh, tamin’ny efitranon’i Hanàna, zanak’i Jegdeliasa, olon’Andriamanitra, anilan’ny efitranon’ireo loholona sy ao ambonin’ny efitranon’i Maasiasa, zanak’i Seloma mpiandry varavarana.
5
Narosoko teo anoloan’ny zanaky ny fianakavian’ny Rekabita siny feno divay mbamin’ny kapoaka, dia hoy aho taminy: «Misotroa divay ianareo.»
6
Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;
7
ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin’ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin’ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny ianareo.›
8
Koa notandremanay ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba razanay, tamin’ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;
9
tsy manao trano hitoerana izahay; tsy manan-tanimboaloboka, na saha, na tany voafafy, izahay;
10
ary mitoetra an-day izahay, manaiky izahay, ary ny ataonay rehetra dia araka izay nandidian’i Jônadaba razanay, anay.
11
Nony avy izay nanafihan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna an’izao tany izao, dia hoy izahay: ‹Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan’ny tafiky ny Kaldeanina sy ny tafik’i Siria›, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay.»
12
Dia tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh, nanao hoe:
13
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin’ny fihainoana ny teniko va ianareo? - teny marin’i Iaveh. -
14
Voatandrina ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandraka androany; ary izaho niteny taminareo koa, niteny hatramin’ny vao maraina aza, nefa tsy nihaino Ahy ianareo!
15
Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.
16
Eny, ny taranak’i Jônadaba zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino Ahy!
17
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’i Jodà sy amin’ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin’izy ireo; satria niteny tamin’izy ireo Aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy Aho, fa tsy novaliany.
18
Ary hoy i Jeremia tamin’ny fianakavian’ny Rekabita: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Noho ianareo nanaiky ny didin’i Jônadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,
19
noho izany dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanaka lahy hitsangana eo anatrehako i Jônadaba zana-dRekaba».
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52