bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 25
Jeremiah 25
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
1
Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.
2
Teny notononin’i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin’ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe:
3
Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taona izay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.
4
Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:
5
Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.
6
Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory Aho.
7
Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.
8
Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko,
9
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
10
Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.
11
Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.
12
Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.
13
Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity. Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.
14
Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.
15
Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.
16
Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»
17
Noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’i Iaveh, nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Iaveh ahy, dia i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Jodà,
18
ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.
19
I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,
20
ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin’ny Otsa, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina, i Askalôna, i Gazà, i Akarôna, mbamin’ny sisa any Azota;
21
I Edôma, i Moaba, mbamin’ny taranak’i Amôna;
22
ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;
23
I Dedana, i Temà, i Boza, mbamin’ireo rehetra miharatra fihirifana;
24
ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ireo firenena mifangaro monina any an’efitra;
25
ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;
26
ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.
27
Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»
28
Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hisotro ianareo!
29
Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.
30
Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe: «Mitrena any ambony i Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran’ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.
31
Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka; satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra, mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana, manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra, - teny marin’i Iaveh. -
32
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa. Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.
33
Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh, hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa; tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.
34
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry, fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo; hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.
35
Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana; ny lehiben’ny ondry tsy hanan-kialofana.
36
Re ny fitarainan’ny mpiandry ondry, ary ny fidradradradran’ny lehiben’ny ondry, fa nosimban’i Iaveh ny tany fiandrasana azy.
37
Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!
38
Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52