bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 39
Jeremiah 39
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 40 →
1
Tamin’ny volana fahafolo, amin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, dia tonga teo anoloan’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.
2
Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesisa, volana fahefatra, andro fahasivin’ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna;
3
ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ary naka toerana mafy teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergaly-Seresera mpiambina ny trano firaketana, i Nabo-Sarsakima lehiben’ny eonòka, i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna.
4
Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.
5
Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina anefa izy ireo, ary tratrany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa. Dia noraisin’izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy.
6
Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.
7
Raha efa izany dia nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ary nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy hoentina any Babilôna.
8
Raha efa izany, dia nodoran’ny Kaldeanina ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny tranon’ny vahoaka, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Ny vahoaka sisa izay tafajanona tao an-tanàna, mbamin’ireo mpilefa nitolo-tena nanaiky azy;
9
ary ny vahoaka sisa tamin’ny tany izay tafajanona teo, dia nentin’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, ho babo any Babilôna.
10
Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo.
11
Nisy didy nomen’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia, nataony hoe:
12
«Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy, fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy.»
13
Ary i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, i Nabosezibàna lehiben’ny eonòka, sy i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’izay rehetra mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna,
14
naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.
15
Fony i Jeremia mbola voafahy tao an-kianjan’ny fiambenana, dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
16
Mandehana ianao milaza amin’i Abdemeleka Etiôpianina hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr’izay ihany izany.
17
Hovonjeko anefa ianao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - fa tsy ho voatolotra ao an-tanan’ny olona atahoranao.
18
Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52