bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 26
Jeremiah 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
1
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.
2
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.
3
Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.
4
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: ‹Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo;
5
tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,
6
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »
7
Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’i Iaveh.
8
Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’i Iaveh nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: «Ho faty ianao!
9
Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » - Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.
10
Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.
11
Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»
12
Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.
13
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.
14
Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
15
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»
16
Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: «Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.»
17
Ary ny sasany tamin’ny loholona amin’ny tany, nitsangana nilaza tamin’ny olona rehetra vory teo, nanao hoe: Tamin’ny andron’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà,
18
i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.
19
Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?
20
Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity.
21
Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.
22
Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta.
23
Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka.
24
Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52