bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 29
Jeremiah 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
1
Izao no teny voasoratra ao amin’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin’ireo sisan’ny loholona voababo, ho an’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra, nentin’i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilôna;
2
nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;
3
taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:
4
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, amin’ny babo rehetra nasesiko avy any Jerosalema ho any Babilôna.
5
Aoka ianareo hanorina trano, ka hitoetra aminy; hamboly zaridaina, ka hihinana ny vokany;
6
hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.
7
Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.
8
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.
9
Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin’ny Anarako; tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh. -
10
Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.
11
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
12
Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho.
13
Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;
14
ka hety ho hitanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - hampodiko ny babo aminareo, ary hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra ianareo sy avy amin’ny fitoerana rehetra nandroahako anareo, - teny marin’i Iaveh, - dia haveriko amin’ity fitoerana nanesorako anareo ity indray.
15
Kanefa, hoy ianareo dia efa nanangana mpaminany ho anay eto Babilôna, i Iaveh.
16
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin’ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin’ny tany fahababoana.
17
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.
18
Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;
19
satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin’i Iaveh, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin’i Iaveh. -
20
Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra, babo nalefako avy tany Jerosalema ho any Babilôna!
21
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.
22
Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin’ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilôna, toy izao: Aoka ianao hataon’i Iaveh tahaka an’i Sedesiasa sy i Akaba, izay nendasin’ny mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny afo.
23
Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, - teny marin’i Iaveh. -
24
Ary i Semeiàsa, Nehelamita, dia ilazao hoe:
25
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Ianao nandefa taratasy tamin’ny anaranao, ho any amin’ny vahoaka rehetra any Jerosalema, sy i Sôfônia mpisorona, zanak’i Maasiasa, mbamin’ny mpisorona rehetra, nilaza hoe:
26
Natsangan’i Iaveh ho mpisorona, hisolo an’i Jôiadà mpisorona ianao, mba hisy mpitandrina ao an-tranon’i Iaveh momba izay olona rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin’ny boloky na gadra.
27
Ary ankehitriny, ahoana no tsy nisakananao an’i Jeremia, avy any Anatôta, izay maminany aminareo?
28
Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilôna izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy, mambole amin’ny zaridaina ary mihinàna ny vokany.»
29
Novakin’i Sôfônia mpisorona teo anatrehan’i Jeremia mpaminany izany taratasy izany.
30
Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh manao hoe:
31
Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;
32
noho izany dia izao no lazain’i Iaveh: Hamangy an’i Semeiàsa Nehelamita mbamin’ny taranany Aho; tsy hisy amin’ny fianakaviany honina eo amin’ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako izy. - teny marin’i Iaveh, - satria nitory fiodinana amin’i Iaveh izy.»
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52