bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 1
Proverbs 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Ohabolan’i Salômôna, zanak’i Davida mpanjakan’i Israely:
2
hahalalana ny fahendrena amam-pahaizana, hahafantarana ny lahateny misy saina;
3
hahazoana fampianarana mazava, ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny;
4
hanomezam-pahafantarana ny kely saina, ary fahalalana sy fandinihana ho an’ny tanora.
5
Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
6
dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina, ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.
7
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
8
Anaka, henoy ny fampianaran-drainao, ary aza arianao ny fanoroan-dreninao,
9
fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany, ary ravaka ho an’ny vozonao.
10
Anaka, raha misy mpanota mitady hanambosy anao, aza mety mankasitraka ianao.
11
Raha izy ireo manao hoe: «Avia hiaraka aminay; aoka hanotrika handatsa-dra isika; aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin’ny tsy manan-tsiny.
12
Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny Seoly; hanao azy telomoka, toy ireo midina any an-davaka.
13
Fa hahazo fananana sarobidy isan-karazany isika, hofenointsika babo ny tranontsika;
14
hahazo ny anjaranao miaraka aminay ianao amin’ny filokana; kitapo iray ihany no hiombonantsika rehetra.»
15
Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka, avilio ny tongotrao tsy ho amin’ny sakeli-dalany;
16
fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo.
17
Velarim-poana anefa ny fandrika harato, raha eo imason’ny zava-manana elatra;
18
izy ireo koa dia ny rany ihany no anaovany otrika, ny ainy ihany no hamelarany fandrika.
19
Izany no lalan’ny olona rehetra fatra-pila harena; fa ny tombom-pihariana maharesy an’izay mitana azy.
20
Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo any amin’ny kianja izy.
21
Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
22
«Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana, ary hankahalan’ny adala ny fahaizana?
23
Mitodiha ianareo hihaino ny fananarako, dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko, hampahafantariko anareo ny teniko.
24
Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo, noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina,
25
noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako:
26
dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana, hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo,
27
raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza, raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo.
28
Amin’izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako, hitady ahy fa tsy hahita ahy,
29
satria izy ireo nankahala ny fahaizana, ka tsy naniry ny fahatahorana an’i Iaveh;
30
satria tsy nandray ny saina natolotro, ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra,
31
dia hihinana ny vokatry ny lalany izy, sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany.
32
Fa ny faniasiavan’ny tsy mahalala no mamono azy, ary ny tokin’ny tsy misy saina no mahavery azy.
33
Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31