bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 5
Proverbs 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
1
Anaka, tandremo izao fahendreko izao, ary mampandria sofina amin’izao fahalalako izao;
2
mba hitahirizanao ny fisainana, sy haharetan’ny molotrao amin’ny fahalalana.
3
Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an’olon-kafa, ary mamy noho ny diloilo ny vavany.
4
Nefa ny farany mangidy toy ny absinta, maranitra toy ny sabatra roa lela.
5
Midina ho any amin’ny fahafatesana ny tongony; mamantana ho any amin’ny Seoly ny diany.
6
Tsy mandinika ny lalan’ny fiainana, fa manjenjena tsy mahalala izay halehan’ny diany akory izy.
7
Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, anaka, ary aza mihataka amin’ny teny aloaky ny vavako.
8
Hampanalaviro azy ny lalanao, aza akekezinao ny varavaran’ny tranony.
9
fandrao dia atolotrao ny hafa ny tsara indrindra amin’ny andron’ny fahatanoranao, ary atolotrao ny tompo masiaka ny taonanao;
10
fandrao dia olon-kafa no hivoky amin’ny fanananao, ary hifindra any an-tranon’ny sasany ny vokatry ny asanao;
11
fandrao dia mitoloko ianao any am-parany, rehefa avy izay hahalevonan’ny nofonao amam-batanao;
12
ka hanao hoe: «Naninona re aho no nankahala famaizana, ary naninona re ny foko no nanamavo fananarana?
13
Naninona re aho no dia tsy nihaino ny feon’ny mpampianatra ahy, ka tsy nampandry sofina tamin’ireo nampianatra ahy?
14
Efa saiky tonga tamin’ny fara fahoriana aho, teo afovoan’ny vahoaka sy ny fiangonana.»
15
Ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao no sotroy, ny rano mandeha avy amin’ny fantsakanao.
16
Tsy hipariaka any ivelany anie ny loharanonao; ary tsy handeha any amin’ny kianja anie ny sakeli-dalanao!
17
Aoka ho anao irery izy, fa aza iombonana amin’ny hafa.
18
Hosoavina anie ny loharanonao, ary ny vadin’ny fahatanoranao no ataovy fifalianao.
19
Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!
20
Ahoana no ho raiki-pitia vehivavy an’olon-kafa ianao, anaka, ka hanohona izay tratran’olon-tsy fantatra?
21
Fa eo imason’i Iaveh ny lalan’ny olombelona, dinihiny avokoa ny lalany rehetra.
22
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
23
Ho faty noho ny tsy fahazoany famaizana izy, ary ho voafitaky ny hadalany tafahoatra.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31