bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 11
Proverbs 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
1
Ny mizàna mandainga, dia ankahalain’i Iaveh, fa ny lanja marina no ankasitrahiny.
2
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
3
Ny fahatsoran’ny olo-mahitsy fo mitari-dalana azy, fa ny fiolikoliky ny mpamadika kosa, mandringana azy.
4
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
5
Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany, fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.
6
Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany.
7
Rehefa maty ny ratsy, foana ny fanantenany; ary levona ny fanantenan’ny mpanao ratsy.
8
Ny marina vonjena ho afa-pahoriana; fa ny ratsy fanahy no hilatsaka hisolo azy ao.
9
Ny tsy mivavaka manomana ny fandringanana ny namany, amin’ny vavany; fa ny marina dia hovonjena amin’ny fahaizana.
10
Mifaly ny tanàna, raha sambatra ny marina; mihoby hafaliana ny olona, raha ringana ny ratsy fanahy.
11
Ny tso-dranon’ny olo-mahitsy fo no androsoan’ny tanàna, fa ny vavan’ny ratsy fanahy mandrava aza.
12
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany, fa ny manan-tsaina mangina.
13
Ny mpifosa manambara ny zavatra afenina; fa ny olona mahatoky kosa, mitana izany tsy hiseho.
14
Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.
15
Izay miantoka olon-tsy fantany, ho tratry ny nenina; fa izay malain-kiantoka, dia handry feizay.
16
Ny vehivavy mahafinaritra, mahazo voninahitra; ny lehilahy mahery fo, mahazo harena.
17
Ny olona antra namana, manao soa amin’ny fanahiny; fa ny olona loza be, mampahory ny nofony.
18
Ny ratsy fanahy manao lahasa manodòka, fa izay mamafy fahamarinana kosa dia efa azo antoka ny valiny.
19
Ny fahamarinana mahatonga amin’ny fiainana; fa izay manenjika ny haratsiana iharam-pahafatesana.
20
Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo, fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.
21
Eny tokoa tsy ho afa-tsazy ny ratsy fanahy, ary ny taranaky ny marina ho voavonjy.
22
Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa, ny vehivavy tsara tarehy tsy ampy saina.
23
Ny soa ihany no hany irin’ny marina; fa ny hotezerana kosa no andrasan’ny ratsy fanahy.
24
ity mahafoy an-kazavam-po moa, mitombo harena; fa itsy fatra-pitsitsy, vao mainka mahantra.
25
Ny fanahy manao soa, hohatavezina; ary izay manondraka dia hotondrahana koa.
26
Izay tsy mamoaka ny variny ozonin’ny vahoaka, fa ny lohan’izay mivarotra azy no idinan’ny tso-drano.
27
Izay mikatsaka ny tsara mahazo fanambinana, fa izay mitaky ny ratsy, ho tratry ny ratsy.
28
Ho lavo izay mitoky amin’ny harena, fa hitsimoka toy ny ravina kosa ny marina.
29
Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.
30
Hazon’aina no vokatry ny marina; ary hendry izay mahazo ny fanahin’olona.
31
Raha ny marina aza, valiana sazy atỳ an-tany; mainka ny ratsy fanahy sy ny mpanota.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31