bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 8
Proverbs 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
1
Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo ve ny fahalalana?
2
eo an-tampon’ny toerana avo, eo amin’ny lalana, eo an-tsampanan-dalana izy no lasa mipetraka;
3
eo akaikin’ny varavarana sy amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady izy, mampandre ny feony:
4
«Ianareo, ry olona, no hiantsoako, ary ny zanak’olombelona no alehan’ny feoko.
5
Mianara fahendrena, ry kely saina; mianara fahalalana, ry adala.
6
Mihainoa, fa manan-java-tsoa holazaina aho, ary misokatra hampianatra ny mahitsy ny molotro.
7
Fa ny marina no ambaran’ny vavako, ary ny tsy marina dia fahavetavetana ho an’ny molotro.
8
Marina avokoa ny teny aloaky ny vavako: fa tsy mba misy diso na safelipeli-teny.
9
Marina avokoa izy, ho an’izay mazava saina; ary mahitsy ho an’izay nahazo ny fahaizana.»
10
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana.
11
Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
12
«Izaho Fahendrena, dia miara-monina amin’ny fahamalinana, ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana.
13
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
14
Ahy ny fisainana amam-pahombiazana; Izaho no fahazavan-tsaina, ahy ny hery.
15
Izaho no anjakan’ny mpanjaka, sy andidian’ny mpanapaka izay rariny.
16
Izaho no anapahan’ny mpifehy, mbamin’ny lehibe, dia ny mpitsaran’ny tany rehetra.
17
Tiako izay tia ahy, ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy.
18
Ato amiko ny harena amam-boninahitra, ny soa mateza amam-pahamarinana.
19
Ny vokatro ambony vidy noho ny volamena, dia volamena madio indrindra; ary ny avy amiko dia mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20
Mizotra eo amin’ny lalan’ny fahamarinana aho, eo amin’ny sakeli-dalan’ny fitsarana,
21
mba hampahazo harena an’izay tia ahy, sy hameno tsara ny firaketany.»
22
«Nanana ahy hatramin’ny fiandohan’ny lalany i Iaveh, dia talohan’ny asany ela indrindra.
23
Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho, hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany.
24
Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.
25
Talohan’ny nanorenana ny tendrombohitra; efa teraka aho talohan’ny havoana;
26
fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka, na ny zavatra iforonan’ny vovok’izao tontolo izao,
27
Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana,
28
fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana,
29
fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany.
30
Izaho dia niasa teo anilany, niravoravo isan’andro isan’andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva,
31
nilalao teo amin’ny gilôbin’ny taniny, ary nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona.»
32
«Ka izao, anaka, henoy aho; Sambatra izay manaraka ny lalako!
33
Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana.
34
Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
35
Izay mahita ahy, nahita fiainana; sady mahazo sitraka amin’i Iaveh.
36
Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny izay rehetra mankahala ahy, mila faty.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31