bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 13
Proverbs 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy; fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.
2
Ny vokatry ny vavan’ny olona, no itsentsefany ny soa; fa ny irin’ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.
3
Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny; fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.
4
Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka, fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.
5
Ny marina mankahala ny teny mamitaka; ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.
6
Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina; ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.
7
Misy mody manan-karena, nefa tsy manana inoninona; misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.
8
Ny harena dia avotra aina ho an’ny olona; ny malahelo kosa tsy mandre akory izay fandrahonana.
9
Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra; fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.
10
Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mety toroana no misy fahendrena.
11
Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.
12
Ny fanantenana ela fiavy, mankarary ny fo; fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon’aina.
13
Manary tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa, izay manaja ny didy.
14
Loharanon’aina ny fampianaran’ny hendry; mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.
15
Vokatry ny saina mandroso fianarana, dia mahate-hotia; fa ny lalan’ny mpamadika, dia sarotra.
16
Ny olo-marina rehetra miasa amim-piheverana; fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.
17
Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza, fa ny iraka mahatoky kosa, ahazoam-panasitranana.
18
Fahoriana aman-kenatra no an’izay mandà famaizana; fa omem-boninahitra kosa, izay mandray fananarana.
19
Ny faniriana tanteraka, maharavoravo ny fo; ary ny miala amin’ny ratsy mahatsiravina ny adala.
20
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
21
Ny mpanota enjehin-doza; ny marina kosa valian-tsoa.
22
Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany; fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.
23
Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be; ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.
24
Tsy tia anaka izay mitsitsy ny tsora-kazony; fa ny tia azy, mamay azy malaky.
25
Ny marina mihinana sady afa-po tsara; fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa zoin’ny tsy ampy lava.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31