bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 31
Proverbs 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Tenin’i Lamoela mpanjaka. Oha-teny nampianarin-dreniny azy.
2
Inona no ho lazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko, ry zanako nateraky ny kiboko? Inona no holazaiko aminao, anaka, ianao izay nalehan’ny faniriako!
3
Aza atolotra ny vehivavy ny herinao; na ny lalanao an’ireo vehivavy mamery mpanjaka.
4
Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela, tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay, na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;
5
fandrao manadino ny lalàna izy, raha misotro; ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.
6
Fa ny efa ho faty no omeo toaka, ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;
7
aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany ary tsy hahatsiaro ny manjò azy intsony.
8
Sokafy ny vavanao hanasoavana ny moana, sy hanohana ny resy tondro maso rehetra manana ady.
9
Sokafy ny vavanao, mamoaha fitsarana marina, ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.
10
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany.
11
Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra
12
Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
13
Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy, dia miasa an-kafaliana amin’ny tanany.
14
Manahaka ny sambon’ny mpandranto izy, mitondra ny haniny, avy lavitra.
15
Mifoha mbola alina izy, dia manome hanina ny ankohonany, sy lahasa ho an’ny ankizy vaviny.
16
Mandinika saha izy, dia mividy azy, ary mamboly tanimboaloboka amin’izay efa azon’ny tanany.
17
Sikinany hery ny valahany, ary hatanjahany ny sandriny.
18
Tsaroany mamy ny tombony efa azony, tsy maty jiro izy mandritra ny alina.
19
Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
20
Manatsò-tanana amin’ny ory izy; ary mamela-tanana amin’ny mahantra.
21
Tsy atahorany fanala ny ankohonany, fa voatafy lamba mena antitra avokoa izy ao an-tranony.
22
Manao firakotra ho azy izy, manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.
23
Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady, raha mipetraka hitsara miaraka amin’ny loholona.
24
Manao akanjo lobaka izy, hamidiny; ary mivarotra fehikibo amin’ny mpandranto.
25
Ny hery sy ny hasoavana no firavaka eny aminy, ary ny andro ho avy ihomehezany.
26
Amim-pahendrena no isokafan’ny vavany, ary teny soa no eo amin’ny lelany.
27
Mitandrina ny alehan’ny ankohonany izy; ary tsy mba mihinana mofom-pahakamoana.
28
Ny zanany lahy mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy.
29
Maro ny zaza vavy miseho ho tsara fanahy, fa ianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.
30
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.
31
Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31