bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 23
Proverbs 23
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
1
Raha tafaray latabatra amin’ny lehibe ianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao.
2
Andraso antsy ny tendanao, raha dia liana loatra ianao.
3
Aza mitsiriritra ny hanim-piny, fa hanina manodòka izany.
4
Aza miferinaina ho tonga mpanan-karena, fadio ny mandà ny ron-doha amin’izany.
5
Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.
6
Aza mihinana ny mofon’ny mpialona, ary aza mitsiriritra izay hanim-piny;
7
fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.
8
Haloanao izay sombiny voatelinao; ary ho very maina ny teny soa nataonao.
9
Aza mba miteny hohenoin’ny adala, fa hohamavoiny foana, ny fahendren’ny lahateninao.
10
Aza mamindra ny faritany fahataloha; ary aza mitsofoka amin’ny sahan’ny kamboty.
11
Fa mahery ny mpamaly ho azy, dia hiaro azy amin’ny adiny aminao.
12
Mandraiketa ny fonao amin’ny fanoroana, ary ny sofinao amin’ny tenin’ny fahaizana.
13
Aza mitsitsy famaizana aman-janaka, fa tsy dia hahafaty azy akory raha kapohinao amin’ny tsora-kazo.
14
Ny mikapoka azy amin’ny tsora-kazo, no anafahanao ny fanahiny amin’ny Seoly.
15
Anaka, raha hendry ny fonao, izaho koa, dia hifaly ny foko.
16
Dia hientan-kafaliana ny kiboko, raha miteny izay marina ny molotrao.
17
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa hitoetra mandrakariva amin’ny fahatahorana an’i Iaveh.
18
Satria misy tokoa ny ho avy, ka tsy ho foana ny fanantenanao.
19
Mihainoa, anaka, ka hendre; ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao.
20
Aza mba anisan’ny mpiboboka divay, na eo amin’izay fatra-piletra hena,
21
fa hahantra ny fatra-pisotro amam-pihinan-kanina, ary mampisingo-borodamba ny faharendremana.
22
Maneke ny rainao, izy izay niteraka anao; ary aza manamavo an-dreninao, saingy efa antitra izy.
23
Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
24
Ravoravo ny rain’ny marina; izay miteraka ny hendry dia ho faly amin’izany.
25
Aoka hifaly ny ray aman-dreninao; aoka hiravoravo ny reninao niteraka anao.
26
Anaka, omeo ahy ny fonao, ary aoka hitandrina ny lalako, ny masonao;
27
fa lavaka lalina, ny akangavavy, ary lavaka famorian-drano ety, ny an’olon-kafa.
28
Mamela-pandrika toy ny hihaza remby izy, ary mampitombo isa ny mpivadika ao amin’ny olombelona.
29
Ho an’iza ny indrisy? Ho an’iza ny endrey? Ho an’iza ny fanditra? Ho an’iza ny fimonjomonjoana? Ho an’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? Ho an’iza ny maso mivaivay?
30
Ho amin’ireo mijanonjanona ela amin’ny divay; ho an’ireo mandeha manandrana divay miharo zava-manitra.
31
Aza mijery ny divay: He izany hamenany, izany famirapirany eo amin’ny kopy, izany fikararànany mora loatra.
32
Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin’ny farany, ary hanindrona toy ny menarana.
33
Dia ho any amin’ny vehivavy an’olon-kafa ny masonao, ary hanao resaka ratsy ny fonao.
34
Hanahaka ny olona mandry eo afovoan’ny ranomasina, ianao; na ny olona matory eo an-tampon’ny andrin-tsambo.
35
Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy mahatsiaro maharary; nandalasiny aho... fa tsy mahare na inona na inona!... Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany!
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31