bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 12
Proverbs 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
1
Izay tia fampianarana tia fahaizana; fa izay mandà anatra, adala.
2
Ny ratsy fanahy mahazo sitraka amin’i Iaveh; fa ny mpanao an-kasomparana, helohin’i Iaveh.
3
Tsy ny haratsiam-panahy no nampiorina mafy ny olona; fa ny fakan’ny marina tsy ho voahetsiketsika.
4
Ny vehivavy tsara fanahy, satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin’ny taolany.
5
Ny rariny no fihevitry ny marina; fa ny fitaka no fieritry ny ratsy fanahy.
6
Fandrika mahafaty, ny tenin’ny ratsy fanahy; fa vonjy ho azy kosa, ny vavan’ny olo-mahitsy fo.
7
Vao mihodina indray mandeha ny ratsy fanahy, dia tsy eo intsony; fa mijoro hatrany kosa, ny ankohonan’ny marina.
8
Araka ny haben’ny fahalalany, no anombanana ny olona; nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.
9
Aleo olona ambany toetra, ampy amin’izay ilainy; toy izay be voninahitra tsy manan-kohanina.
10
Ny marina mitsimbina ny amin’ny bibiny; fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa, masiaka.
11
Izay miasa ny taniny, ho voky hanina; fa izay manenjika zava-poana, no adala foana.
12
Ny ratsy fanahy maniry ny rembin’ny ratsy fanahy, fa ny fakan’ny marina kosa, mahavokatra.
13
Misy fandrika mandoza, amin’ny fahotan’ny molotra; fa ny marina afa-miala amin’ny fahoriana.
14
Ny vokatry ny vavan’ny olona, no hamoky soa azy; ary araka ny asan-tanany avy, no hatsingerina aminy.
15
Ny lalan’ny adala mahitsy eo imasony; fa ny torohevitra kosa no henoin’ny hendry.
16
Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.
17
Izay milaza ny marina dia milaza ny mety, fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.
18
Mandratra toy ny sabatra izay miteny antsapatsapaka fa mampahazo fahasitranana kosa, ny lelan’ny hendry.
19
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
20
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
21
Ny marina tsy mba iharan-doza; fa ny ratsy fanahy tsindrian’ny loza.
22
Halan’i Iaveh ny molotra mandainga; fa ny manaraka ny marina no ankasitrahiny.
23
Ny olo-marina manafina ny fahaizany; fa ny fon’ny adala manely ny fahadalany.
24
Ny tanana velom-pitandremana, hanapaka; fa ny tanana mipozipozy hampanompoana.
25
Ny alahelo ao am-pon’ny olona, mampilofika azy; fa ny teny soa kosa, mahafaly azy.
26
Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.
27
Ny kamo tsy manatona ny hazany akory; fa ny faharisihana no rakitra soa ho an’ny olona.
28
Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31