bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 4
Proverbs 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana,
2
fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
3
izaho koa dia zanaka ho an’ikaky fahizay, zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan’ineny.
4
Dia notoroany sy nataony hoe: «Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko dia ho velona ianao.
5
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany.
6
Aza mahafoy azy fa harovany ianao; tiavo izy fa hitahiry anao.
7
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
8
Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao; fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy.
9
Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; horavahany satroboninahitra tsara indrindra ianao.»
10
Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao.
11
Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana.
12
Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina.
13
Tano ny fahalalana ka aza avela; raketo izy fa fiainanao.
14
Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy.
15
Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia ianao, dia mizora.
16
Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona;
17
Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozàna no fisotrony,
18
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
19
Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
20
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko.
21
Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao.
22
Satria aina ho an’izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.
23
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
24
Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelika; ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina.
25
Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao.
26
Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra.
27
Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31