bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 21
Proverbs 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
1
Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
2
Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra, nefa i Iaveh ihany no mandanja ny fo.
3
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.
4
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
5
Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
6
Ny rakitra azon’ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty.
7
Ny hatezeran’ny ratsy fanahy mampivaona azy; satria efa tsy tiany ny hanaraka ny rariny.
8
Miolikolika ny lalan’ny olo-meloka, fa ny tsy manan-tsiny kosa dia mahitsy amin’ny asany.
9
Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-monina amin’ny vehivavy tia ady.
10
Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy.
11
Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.
12
Dinihin’ny Marina ny tranon’ny ratsy fanahy; Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza.
13
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
14
Ny fanomezana mangingina mampitony hatezerana; ny fanatitra alaina anaty valombalonan-damba mampitsahatra fahavinirana efa tafahoatra.
15
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
16
Ny olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana, dia handry eny amin’ny fivorian’ny maty.
17
Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra.
18
Ny ratsy fanahy hisolo voina ny marina; ary ny mpivadika hisolo voina ny olo-mahitsy fo.
19
Aleo mitoetra any an’efitra, toy izay amin’ny vehivavy tia ady sy foizina.
20
Ny tranon’ny hendry misy rakitra sarobidy sy diloilo; fa ny adala kosa mikepoka ireny.
21
Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
22
Mahanika ny vohitry ny mahery ny hendry; sady mandrodana ny manda nataony fianteherana.
23
Izay miambina ny vavany aman-delany, mpiaro ny fanahiny tsy ho azon’ahiahy.
24
Ny atao hoe mpamazivazy dia izay olona mianjonanjona, feno avona, izay fatra-pirehaka amin’ny ataony.
25
Ny faniriana foan’ny kamo mahafaty azy, satria mandà tsy hiasa ny tanany.
26
Maniry mafy izy tontolo andro, fa manome tsy an-kijanona kosa, ny marina.
27
Ny soron’ny ratsy fanahy, dia fahavetavetana, indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.
28
Ny vavolombelona mandainga, ho faty; fa ny olona mihaino kosa manan-kalahatra mandrakariva.
29
Ny ratsy fanahy maneho hasahisahiana amin’ny endriny, fa ny mahitsy fo kosa manitsy ny lalany.
30
Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.
31
Ny olona manomana ny soavaly ho amin’ny andro hiadiana, fa i Iaveh ihany, no iankinan’ny fandresena.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31