bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 22
Proverbs 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
1
Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.
2
Mihaona ny mpanana sy ny mahantra, samy asan’i Iaveh izy roa tonta.
3
Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany ka voa.
4
Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
5
Tsilo amam-pandrika no eny amin’ny lalan’ny ratsy fanahy, fa izay miaro ny fanahiny kosa manalavitra izany.
6
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
7
Ny manan-karena manapaka ny mahantra; ary ny misambotra, mpanompon’ny mpampisambotra.
8
Izay mamafy heloka, hijinja fahoriana, ary ho foana ny tsora-kazon’ny fahatezerany.
9
Hambinina ny olona antra fijery, fa anomezany ny mahantra ny mofony.
10
Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana, hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.
11
Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.
12
Miaro ny fahaizana ny mason’i Iaveh, fa mamaky betroka ny tenin’ny olon-dratsy kosa izy.
13
Hoy ny kamo: «Misy liona any ivelany! Ho vonoin-ko faty eny an-kianja eny aho!»
14
Lavaka lalina ny vavan’ny vehivavy an’olon-kafa; izay mahatezitra an’i Iaveh ho latsaka ao.
15
Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; ny tsora-kazon’ny famaizana no hanesotra izany aminy.
16
Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy; ny manome ny manan-karena no mampihena ny ananany.
17
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako.
18
Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tahirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin’ny molotrao avokoa izy!
19
Mba hianteheran’ny fitokianao amin’i Iaveh, dia ianao no tiako hotoroana izao.
20
Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra, torohevitra amam-pampianarana ho anao?
21
Mba hampianarana anao ny mahamarina ny zavatra fantatra tsara, hahazoanao mamaly teny marina an’izay maniraka anao.
22
Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.
23
Fa i Iaveh hiaro azy ireny amin’ny adiny; sy hanala aina an’izay nanendaka an’ireny.
24
Aza mikambakambana amin’izay olona foizina, na miarakaraka amin’izay olona masiaka:
25
fandrao mianatra ny lalany ianao, ka manomana fandrika ho an’ny fanahinao.
26
Aza mba mety ho isan’izay mora manao fanekena, dia ireo izay miantoka trosan’olona.
27
Raha tsy manan-kaloa ianao, nahoana no dia mitono tena, halain’olom-parafara eo ambaninao?
28
Aza mamindra ny faritany fahataloha, izay efa naorin’ireo razanao.
29
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31