bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 19
Proverbs 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
1
Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny, toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.
2
Tsy tsara ny tsy fahalalan’ny fanahy, ary lavo ny olona faingam-pandeha.
3
Ny hadalan’ny olona no mahasimba ny lalany; ka i Iaveh no itezeran’ny fony.
4
Ny harena mahamaro sakaiza, fa ny mahantra dia tafasaraka amin’ny sakaizany.
5
Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina, ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.
6
Ny olona mahafoy be, maro mpandoka; ary izay mahatolotolotra, sakaizan’ny rehetra.
7
Ny rahalahin’ny mahantra mankahala azy avokoa, koa mainka ny sakaizany, no mihataka aminy koa! Mba mitady teny soa izy, fa tsy mahita izany akory.
8
Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny, ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.
9
Ny vavolombelona tsy marina, tsy ho afa-maina; ary izay milaza lainga, ho very.
10
Ny adala tsy tandrifin’ny hiaina ao anatin’ny fahafinaretana; ka mainka izay mpanompo ve no hanapaka ny andriandahy?
11
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
12
Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka; ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.
13
Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy; ary ny ady ataon’ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitete tsy an-kijanona.
14
Trano sy herana no lova amin’ny ray; fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.
15
Ny hakamoana mampatoritory foana; ary ny fanahy malaina ho tratry ny mosary.
16
Izay mitandrina ny lalàna miaro ny fanahiny; izay tsy mitandrina ny lalany, ho faty.
17
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
18
faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany; nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.
19
Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin’izany; raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.
20
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
21
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
22
Ny hatsaram-pon’ny olona no manambara azy ho mahafatra-po, ary aleo ny mahantra toy izay ny mpandainga.
23
Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana, ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.
24
Ny kamo mangaron-dovia amin’ny tanany; fa tsy mampakatra ny tanany ao am-bavany indray.
25
Kapohy ny mpamazivazy, dia hihahendry ny kely saina; anaro ny olona manan-tsaina dia hahazo ny fahaizana izy.
26
Izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny, dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.
27
Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao, dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.
28
Ny vavolombelona ratsy, manamavo ny rariny, ary ny vavan’ny ratsy fanahy mitelina faharatsiana.
29
Vonona ho an’ny mpamazivazy ny fitsarana, ary ho an’ny lamosin’ny adala ny kapoka.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31