bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 20
Proverbs 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
1
Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.
2
Sahala amin’ny fieron’ny liona ny fampitahorana avy amin’ny mpanjaka; ka manota amin’ny tenany izay mampahatezitra azy.
3
Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.
4
Tsy mety miasa ny kamo fa hoe ratsy ny andro; ka amin’ny andro fijinjana, hitady izy fa tsy hisy na inona na inona.
5
Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona; fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.
6
Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
7
Handeha amin’ny fahamarinany ny olona marina; sambatra izay zanany mandimby azy!
8
Ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fitsarana dia manafoana ny ratsy rehetra amin’ny fijeriny.
9
Iza no hilaza hoe: «Efa nandio ny foko aho, ka afaka madiodio tamin’ny fahotako?»
10
Ny vato-mizàna samy hafa sy ny efah samihafa, dia samy zavatra hankahalain’i Iaveh.
11
Ny zaza dia efa maneho amin’ny fanaony sahady, na ho madio sy mahitsy ny asany, na hanao ahoana.
12
Ny sofina mandre sy ny maso mahita, dia samy nataon’i Iaveh avokoa.
13
Aza tia torimaso, fandrao tonga mahantra; ahirato ny maso, dia ho voky hanina ianao.
14
Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy; kanjo nony avy eo izy, falifaly erỳ!
15
Eo ihany ny volamena amam-boahangy betsaka; fa fanaka sarobidy, ny molotra hendry.
16
Endaho ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy; tereo izy hanome antoka noho ny amin’ny vahiny.
17
Mamin’ny olona ny hanina azo am-pitaka, nefa amin’ny farany feno fasika ny vavany.
18
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
19
Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina; ka ialao tsara rehefa olona miteniteny lava.
20
Raha misy manozona ny ray aman-dreniny, dia ho faty jiro anatin’ny haizim-pito.
21
Ny lova malaky azo tam-boalohany, dia tsy arahin-tso-drano any am-parany.
22
Aza manao hoe: «Hamaly ratsy ny nataony aho», fa manantenà an’i Iaveh, dia hamonjy anao Izy.
23
Halan’i Iaveh ny vato mizàna samy hafa; ary tsy mba tsara ny mizàna mandainga.
24
I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
25
Fandrika ho an’ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity; ka efa vita ny voady vao mieritreritra.
26
Ny mpanjaka hendry manafoana ny ratsy fanahy, sy mandefa kodia eo ambonin’ireny.
27
Jiron’i Iaveh, ny fanahin’ny olombelona maninteraka hatrany anatin’ny fo.
28
Ny fahatsaram-po amam-pahamarinana no miaro ny mpanjaka; ary ny hatsaram-po no anamafisany ny seza fiandrianany.
29
Ny hery no haingon’ny zatovo, ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.
30
Ny kapoka mandrovirovitra ny nofo, mahasitrana ny faharatsiana; torak’izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31