bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 16
Proverbs 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
1
Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona; fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.
2
Madio eo imason’ny olona ny lalany rehetra; fa i Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.
3
Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao.
4
Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra; ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.
5
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
6
Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.
7
Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.
8
Aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harem-be omban’ny tsy fahamarinana.
9
Ny fon’ny olona no misaina izay halehany, fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany.
10
Teny tò no eo amin’ny molotry ny mpanjaka; aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.
11
Avy amin’i Iaveh ny mizàna aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.
12
Fahavetavetana amin’ny mpanjaka ny manao ratsy; fa ny rariny no iorenan’ny seza fiandrianana mafy.
13
Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina; ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.
14
Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka; ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.
15
Mampiaina ny fahamiramirànan-tarehin’ny mpanjaka; ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.
16
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
17
Ny manalavitra ny ratsy no lalam-ben’ny marina; ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
19
Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.
20
Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.
21
Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina; ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana.
22
Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana; ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany.
23
Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry, sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony.
24
Ny teny soa dia toho-tantely: mamin’ny fanahy sy mahasalama ny vatana.
25
Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.
26
Miasa no an’ny tenany ny mpiasa, fa asesiky ny vavany hanao izy.
27
Loza no vononin’ny ratsy fanahy; ary toa afo miredareda no eo amin’ny molony!
28
Ny olon-dratsy mamelona adiady, ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.
29
Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany, ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.
30
Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.
31
Satroboninahitra ny volo fotsy; ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy.
32
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
33
Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo, fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31