bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 25
Proverbs 25
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
1
Izao koa no ohabolan’i Salômôna, nangonin’ny olon’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.
2
Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra, fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mandini-javatra.
3
Ny lanitra amin’ny haavony, ny tany amin’ny halaliny, ary ny fon’ny mpanjaka, samy zavatra tsy azo takarina.
4
Esory ny taim-bolafotsy, dia hisy hanaovana fanaka hataon’ny mpanao anidina.
5
Esory ny ratsy fanahy eo anoloan’ny mpanjaka. dia hiorina mafy ny seza fiandrianany amin’ny fahamarinana.
6
Aza manao endrika miavonavona eo anatrehan’ny mpanjaka, ary aza mipetraka eo amin’ny fitoeran’ny lehibe;
7
Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara atỳ; toy izay ianao no haetry eo imason’ny andriana, izay efa hitanao maso.
8
Aza dia faingam-panohitra foana, fandrao tsy mahita izay hatao ianao amin’ny farany.
9
Raha naniratsira anao ny namanao, dia tohano ny adinao amin’ny namanao,
10
fa aza manambara ny zavatra miafin’ny olon-kafa, fandrao mahasafo-kenatra anao, izay mandre izany, ka tsy ho afaka aminao ny fahafaham-baraka.
11
Toy ny paoma volamena eo amin’ny ravaka voasikotra amin’ny volafotsy, ny teny atao amin’ny antony.
12
Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.
13
Toy ny fangatsiatsiakan’ny oram-panala amin’ny taom-pijinjana, ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy: mamelombelona ny fanahin’ny tompony izy.
14
Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa, ny olona mirehaka amin’ny fanatitra hosoka.
15
Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara; ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.
16
Raha tojo tantely ianao, ny sahaza anao ihany hanina, fandrao voky azy ianao, ka handoa azy indray.
17
Aza mateti-piavy ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.
18
Kanonta aman-tsabatra ary zana-tsipìka maranitra; toy izany ny olona mitsangan-kiampanga tsy marina ny namany.
19
Nify tapatapaka sy tongotra mibolisatra, dia toy izany no fitokiana ny mpamadika, amin’ny andron’ny fahoriana.
20
Toy ny miala lamba amin’ny andro mangatsiaka, na manisy vinaingitra amin’ny sirahazo, ny manao kalokalo amin’ny malahelo am-po.
21
Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22
fa amin’izany ianao hanangona vainafo ho eo an-dohany; ary i Iaveh hamaly soa anao.
23
Ny rivotra avy avaratra miteraka orana; ny lela mpifosa kosa, mampahasosotra endrika.
24
Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano, toy izay miara-mipetraka amin’ny vehivavy tia ady.
25
Rano mangatsiaka ho an’ny olona mangetaheta, toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.
26
Fantsakana voatsikebona, loharano voaloto, toy izany ny marina mangozohozo eo anoloan’ny ratsy fanahy.
27
Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka, toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian’Andriamanitra, fa ho resin’ny voninahiny.
28
Tanàna efa afaka ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31