bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 26
Proverbs 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
1
Toy ny oram-panala fahavaratra sy ranonorana amin’ny taom-pijinjana, no tsy iendrehan’ny voninahitra ho an’ny adala.
2
Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina, no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.
3
Ny karavasy ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny ampondra, ary ny tsora-kazo ho an’ny lamosin’ny adala.
4
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao dia manahaka azy koa ianao.
5
Valio araka ny hadalany ny adala, fandrao dia manao azy ho hendry izy.
6
Manapaka ny tongony sy misotro tsy fahamarinana, izay mampitondra teny ny adala.
7
Esory amin’ny mandringa ny tongony, sy ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.
8
Toy ny mamehy vato amin’ny antsamotady, ny manome voninahitra ny adala.
9
Toy ny tsilo milentika amin’ny tanan’ny mamo, ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.
10
Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra, ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.
11
Toy ny amboa miverina amin’ny loany, toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany.
12
Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao, ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
13
Hoy ny kamo: «Misy liona any an-dalam-be; misy liona atsy amin’ny arabe.»
14
Ny varavarana mihodina eo amin’ny saviliny, toy izany koa ny kamo mihodina eo amin’ny fandriany.
15
Mangaron-dovia amin’ny tanany ny kamo; ary manahirana azy ny hampakatra izany eo am-bavany.
16
Ny kamo manao ny tenany ho hendry, mihoatra ny mpihevitra fito mahira-tsaina.
17
Toy ny olona misambotra amboa amin’ny sofiny, ny mpandalo misafoaka amin’ny adin’ny hafa.
18
Toy ny mpisafoaka mandefa longy mirehitra afo, sy zana-tsipìka amam-pahafatesana,
19
ny olona izay efa namitaka ny namany, ka manao hoe: «Vosibositra fotsiny no nataoko.»
20
Raha tsy eo ny kitay, maty ny afo: halaviro ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.
21
Ny arina mampisy vainafo, ny kitay mampisy afo, ny olona tia ady kosa mamelona fifandirana.
22
Toy ny hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana, ka mikorotsaka hatrany anatin’ny tsinay.
23
Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy, ny molotra maimay miaraka amin’ny fo ratsy.
24
Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala, kanjo manafim-pitaka ao anatiny;
25
koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26
Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.
27
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao; ary izay manakodia vato no hikodiavany.
28
Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga, ary mampidi-doza ny vava mandoka.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31