bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 28
Proverbs 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
1
Mandositra tsy enjehina ny ratsy; fa matoky toy ny liona kosa ny marina.
2
Amin’ny tany tsy mandry, mihamaro ny mpanapaka, fa amin’ny olona manan-tsaina sy hendry kosa, maharitra ny filaminana.
3
Ny olo-mahantra mampahory ny malahelo, dia orana mivatravatra mahatonga mosary.
4
Ny mahafoy ny lalàna, mandoka ny ratsy fanahy; fa ny manara-dalàna kosa mitezitra aminy.
5
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
6
Aleo olo-mahantra ombam-pahamarinana, toy izay olona miolikoli-dalana sy manan-karena.
7
Izay mitandrin-dalàna dia zanaka hendry, fa izay mamelona ny mpijangajanga manome henatra an-dreniny.
8
Izay manangon-karena amin’ny zana-bola amam-pilàn-tombony be loatra, dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.
9
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10
Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin’ny lalan-dratsy, dia mandatsaka ny tenany amin’ny lavaka nohadiny, fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.
11
Ny manan-karena manao ny tenany ho hendry; fa ny mahantra manan-tsaina kosa, mahalala azy ihany.
12
Raha mandresy ny marina dia misy fety lehibe fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, samy miery ny olona.
13
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
14
Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva; fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin’ny fahoriana.
15
liona mierona sy orsa noana; toy izany ny ratsy fanahy manapaka amin’ny olo-mahantra.
16
Ny mpanapaka tsy manan-tsaina mampitombo ny famoretana, fa izay mankahala ny fierenana kosa, ho lava andro iainana.
17
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
18
Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.
19
Ny miasa ny taniny, ho voky hanina; fa ny manenjika zava-poana, ho voky fahantrana.
20
Ny olona mahatoky, feno fanambinana, fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.
21
Tsy mety ny mizaha tavan’olona, fa sombi-mofo monja, dia mahatonga ho olo-meloka.
22
Maimay ny hanan-karena, ny mpialona, tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fahampiana.
23
Ny mananatra olona dia hahita fitia kokoa rahatrizay, noho ny mahatonga ny lelany ho mpidoka.
24
Izay mandroba ray aman-dreny, ka manao hoe: «Tsy fahotana izany», dia naman’ny jiolahy.
25
Ny olona matimatin-karena, mamelona ady, fa izay mitoky amin’i Iaveh, dia ho voky.
26
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
27
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
28
Raha misandratra ny ratsy fanahy, miery avokoa ny olona, fa raha ringana kosa ireny, mihamaro ny marina.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31