bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 6
Proverbs 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
1
Anaka, raha niantoka ny sakaizanao ianao, raha nametra-teny hiantoka ny hafa,
2
raha voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, sy azon’ny teny naloaky ny vavanao,
3
dia izao no mba ataovy, ry havako: mitsoaha amin’izany! Matoa latsaka eo an-tanan’ny namanao ianao, dia mandehana mihohoka aminy ary mandodona azy mafy!
4
Aza avela hatory ny masonao, na ho rendremana akory ny hodi-masonao;
5
mitsoaha, toy ny serfa vavy eo an-tanan’ny mpihaza; toy ny vorona eo an-tanan’ny mpamandrika.
6
Mandehana mankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo; diniho ny lalany ka mbà hendry.
7
Tsy mana-mpifehy izy, na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka,
8
nefa fahavaratra izy mamory hanina, manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.
9
mandra-pahoviana no mbola handrianao, ry ilay kamo, rahoviana ianao no vao hifoha amin’ny torimasonao?
10
Torimaso kely, faharendremana kely, fanohonan-tanana kely eo am-pandriana.
11
Dia ho tonga toy ny mpivahiny ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fahampian-kanina!
12
Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina, dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana;
13
Mipipy maso, mihehy amin’ny tongony, manao famantarana amin’ny rantsan-tanany.
14
Ao am-pony ny faharatsiana, misaintsaina ny ratsy lalandava izy, ary manangana ady.
15
Koa ho avy tampoka ny faharavàny; ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.
16
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana:
17
ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,
18
ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy,
19
ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
20
Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao.
21
Fehezo eo ambonin’ny fonao mandrakariva ireo, ary afatory eo amin’ny vozonao.
22
Hitarika anao amin’izay halehanao, hiambina anao amin’ny torimasonao, ary hiresaka aminao amin’ny fifohazanao.
23
Fa jiro ny didy, fahazavana ny lalàna, ary lalan’aina ny fananarana mahahendry.
24
Hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy izy, dia amin’ny lela mandrobon’ny vehivavy an’olon-kafa.
25
Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.
26
Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.
27
Mety hisy ve ny olona toy izao: hisy olona hanao afo amin’ny tratrany, ka tsy ho may ny akanjony?
28
Na hoe hisy olona handeha ambony vain’afo mivaivay, ka tsy ho may ny tongony?
29
Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany: rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.
30
Tsy misy manafòka ny mpangalatra mandroba hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;
31
raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy, ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.
32
Fa tsy misy saina kosa izay manangy vehivavy, manary tena izay olona manao izany;
33
fery amam-pahafaham-baraka no hany azony, sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.
34
Fa entin’ny hasarotam-piaro ny lehilahy nalainy vady dia misafoaka: ka tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany faty.
35
Tsy hasiany raharaha akory izay vola fanavotana; tsy horaisiny na ataonao miavosa aza ny fanatitra.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31