bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 15
Proverbs 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
1
Ny valin-teny mora, mampitony havinirana; fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.
2
Ny lelan’ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahatehotia, ny vavan’ny adala miboiboika hadalana.
3
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4
Ny teny mora, dia hazon’aina; fa ny vava ratsy, mamaky ny fo.
5
Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy; fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.
6
Harem-be no ao an-tranon’ny marina; fikorontanana kosa no ao amin’ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy.
7
Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana; fa tsy mba ny fon’ny adala.
8
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
9
Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.
10
Famaizana mafy no mihatra amin’izay mivily lalana; izay mankahala anatra dia ho faty.
11
Ny Seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan’i Iaveh: ka mainka ny fon’ny zanak’olombelona!
12
Tsy te hanarina ny mpamazivazy; ka tsy manatona ny hendry izy.
13
Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
14
Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.
15
Ratsy avokoa ny andron’ny mijaly, fa fanasana lava ny fo ravoravo.
16
Aleo ny kely ombam-pahatahorana an’i Iaveh, toy izay ny harem-be omban’ahiahy.
17
Aleo anana ombam-pitiavana; toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.
18
Ny olo-masiaka manetsika ady, ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.
19
Ny lalan’ny kamo, toa fefy tsilo; ny lalan’ny olo-mahitsy dia voaarina tsara.
20
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; ny adala kosa maneso ny reniny.
21
Hafaliana ho an’ny olona tsy ampy saina, ny hadalana, fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.
22
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
23
Fifaliana ho an’ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin’izay antonona azy.
24
Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.
25
Ny tranon’ny mpiavonavona, ravàn’i Iaveh; fa ny baorina mamaritra ny an’ny mpitondra tena kosa aoriny mafy.
26
Halan’i Iaveh ny hevi-dratsy; fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.
27
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28
Ny fon’ny marina, mihevitra izay tokony hovaliany, fa ny vavan’ny adala mitsaontsaon-dratsy.
29
Lavitra ny ratsy fanahy i Iaveh, fa ny vavaky ny marina henoiny.
30
Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.
31
Ny sofina mihaino anatra mahavonjy, manana anjara toerana eo amin’ny hendry.
32
Izay mandà anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.
33
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31