bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 7
Proverbs 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Anaka, tano ny teniko, tahirizo ao aminao ny didiko.
2
Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao, tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.
3
Afehezo ho eo ambonin’ny rantsan-tananao izy. soraty eo amin’ny latabatry ny fonao izy.
4
Ny fahendrena ilazao hoe: Anabaviko ianao. Ary ny fahalalana antsoy hoe sakaizanao,
5
mba hiarovany anao amin’ny vadin’ny namana, sy amin’ny vehivavy an’olon-kafa manao teny mandrobo.
6
Teo am-baravarankelin’ny tranoko, nitazana teo amin’ny makarakara aho.
7
Tsikaritro teo amin’ireo tsy ampy saina, nahatsikaritra zazalahy iray kely saina, tamin’ireo zatovo ireo, aho.
8
Nandao teo an-dalambe, anilan’ny fonenan’ny vehivavy an’olon-kafa izy, dia nandroso ho eo amin’ny tranony.
9
Efa takariva izay, ilay efa somambisamby iny, tao anatin’ny alina sy ny haizina.
10
Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray manao fitafian’olon-janga, manafin-kevitra am-po.
11
Mihavatravatra tsy azo atao amin’ahoana, tsy mahapetraka an-trano ny tongony;
12
mbetika erỳ an-dalam-be, mbetika erỳ amin’ny kianja, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.
13
Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany, ary sady nanao tarehin’ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:
14
«Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavanana aho, ary nefaiko androany ny voadiko.
15
Ka dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady anao, ka indro, nahita tokoa.
16
Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana, dia lamba fandrakofana folin’i Ejipta;
17
Ny fandriako efa norarahako zava-manitra, dia mira, aloesy, ary sinamôma.
18
Andeha isika hivoky fitia, mandra-paharain’ny andro, andeha isika hiarana amin’ny fahafinaretan’ny nofo.
19
Fa tsy ao an-trano ny vadiko, lasa nivahiny lavitra izy.
20
Nentiny any aminy any, ny kitapom-bola.»
21
Ambosiny amin’ny teny maro eo izy, ary taominy amin’ny tenin’ny molony;
22
dia rafitra nanaraka azy miaraka amin’izay izy, tahaka ny omby entina hovonoina, tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin’ny gadra anasaziana azy,
23
mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny; tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika, tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.
24
Ka ankehitriny, anaka, henoy aho, ary henoy tsara ny teny aloaky ny vavako.
25
Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io, aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany.
26
Fa maro no efa noratrain’izy io, ary betsaka no voan’izy io.
27
Ny tranony dia lalana mankany amin’ny Seoly, izay midina ho any amin’ny fonenan’ny fahafatesana.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31