bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 29
Proverbs 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.
2
Raha mihamaro ny marina, faly ny vahoaka, fa raha ny ratsy fanahy no mitondra fanjakana, misento ny vahoaka.
3
Izay tia ny fahendrena, mahafaly ny rainy, fa izay fatra-piaraka amim-behivavy janga, mandany ny hareny.
4
Ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny amin’ny fahamarinana, fa izay tia kolikoly kosa, mandrava azy.
5
Ny olona mandoka ny namany, mamela-pandrika ny tongony.
6
Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.
7
Ny marina, mahalala ny adin’ny mahantra: fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.
8
Ny mpamazivazy mampirehitra afo handoro ny tanàna, ny hendry kosa, mampitony ny hatezerana.
9
Raha ny hendry no miady amin’adala, na tezitra izy na mihomehy, tsy hisy fihavanana.
10
Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.
11
Ny adala manampatra ny hatezerany rehetra, ny hendry kosa, manonona sy mahafehy azy.
12
Raha mihaino teny lainga ny mpanapaka, dia ratsy fanahy avokoa ny mpanompony.
13
Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory, i Iaveh no manazava ny mason’izy roa tonta.
14
Ny mpanjaka mitsara marina ny mahantra, dia hahamafy orina ho mandrakizay, ny seza fiandrianany.
15
Ny tsora-kazo amam-pamaizana mampahazo ny fahendrena, fa ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.
16
Raha mitombo ny ratsy fanahy, mitombo koa ny heloka, fa ny marina kosa hahita ny fidabok’ireny.
17
Faizo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy, sy hampahazo fifaliana ho an’ny fanahinao.
18
Rehefa tsy misy fahitana intsony tsy misy mahafehy ny vahoaka. Sambatra izay mitandrina ny lalàna.
19
Tsy mba teny no ananarana ny mpanompo; fa na azony aza izany dia tsy mba manaiky izy.
20
Raha mahita olona haingam-bava ianao, dia ny adala no misy hantenaina noho izy.
21
Mpanompo nohantaina fahazaza; mihambo ho zanaka no farany.
22
Ny olona mora tezitra mamelona ady; ny olo-masiaka, be hadisoana.
23
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
24
Mankahala ny fanahiny, izay miara-mizara amin’ny mpangalatra, fa mandre ny fanozonana izy, nefa tsy milaza na inona na inona.
25
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
26
Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka; fa i Iaveh ihany no iavian’ny fitsarana marina ny olona isam-batana.
27
Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31