bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 14
Proverbs 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
1
Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.
2
Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.
3
Ny vavan’ny adala, misy tsora-kazom-piavonavonana; ny molotry ny hendry kosa miaro ny tenany.
4
Izay tsy misy omby, foana fihinanam-bilona; fa ny herin’ny omby ahazoan-tombony betsaka.
5
Ny vavolombelona mahatoky, tsy mba mandainga; fa ny vavolombelona tsy marina kosa, milaza lainga.
6
Ny mpamazivazy mitady, fa tsy mahita ny fahendrena; fa mora azon’ny manan-tsaina kosa ny fahaizana.
7
Mialà amin’ny adala, satria fantatrao fa tsy misy fahendrena eo amin’ny molony.
8
Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany; fahadalan’ny adala ny fitaka.
9
Ny adala mihomehy ny ota; fa ao amin’ny olo-mahitsy fo no misy fanehoam-pitiavana.
10
Ny alahelon’ny fo, izy ihany no mahalala; ny hafaliany koa, tsy hain’ny hafa iombonana.
11
Ny tranon’ny ratsy fanahy, horavana; fa ny lain’ny mahitsy fo, ambinina.
12
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
13
Na dia eo amin’ny hehy aza mahatsiaro ory ny fo; ary ny fifaliana miafara amin’ny fisaonana.
14
Ny tsy mivavaka, ho vokin’ny lalany, ny tsara fanahy, ho vokin’ny soa nataony.
15
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
16
Ny hendry matahotra, ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; ny adala kosa mitroatra sy matokitoky foana.
17
Ny olona mora tezitra, mahavita hadalana, ary ny sompatra koa miantso fankahalana azy.
18
Hadalana no anjaran’ny kely saina. Ary satroboninahitra no azon’ny malina amin’ny fahaizany.
19
Miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary eo am-baravaran’ny marina, ny tsy mpivavaka.
20
Ny mahantra, olon-kala na amin’ny sakaizany aza; fa ny manan-karena, no maro sakaiza.
21
Manota izay manamavo ny namany; fa sambatra izay miantra ny mahantra.
22
Tsy maniasia va ry zareo mamoron-tsain-dratsy? ary moa tsy fanambinana amam-pahamarinana kosa va no ho an’izay mihevitra ny soa?
23
Ny asa rehetra mitera-piadanana; fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin’ny tsy fahampiana.
24
Satroboninahitra ho an’ny hendry ny hareny; fa ny fahadalan’ny adala dia hadalana lava.
25
Ny vavolombelona marina, mamonjy fanahy, ny hafetsen-dratsy mamoaka lainga.
26
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
27
Ny fahatahorana an’i Iaveh no loharanon’aina, mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.
28
Ny hamaroan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; ny fahavitsian’ny olony kosa dia fahafongoran’ny mpanapaka.
29
Ny mahatsindry fo, be saina, ny malaky tezitra maneho ny hadalany.
30
Ny fo mionona, fiainana ho an’ny nofo; ny fialonana kosa homamiadana amin’ny taolany.
31
Ny mampahory ny mahantra, maniratsira Ilay nanao azy; fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra Azy.
32
Ny ratsy fanahy azeran’ny faharatsiany; ny marina kosa matoky hatrany am-pahafatesana aza.
33
Ny fon’ny olona manan-tsaina no itoeran’ny fahendrena, ka eo afovoan’ny adala dia fantatra eo ihany izy.
34
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka.
35
Ny tombom-pitian’ny mpanjaka, ho an’ny mpanompo manan-tsaina, ny hatezerany kosa ho an’izay mampahamenatra.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31