bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 10
Proverbs 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
1
Ohabolan’i Salômôna. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.
2
Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.
3
Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.
4
Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
5
Zanaka hendry izay mamory amin’ny fararano; fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin’ny taom-pijinjana.
6
Ny lohan’ny marina iaviam-pitahiana, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.
7
Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.
8
Izay hendry am-po mandray ny didy; fa ny adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.
9
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
10
Izay mihiringiri-maso, ho fototr’alahelo; ary izay adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.
11
Ny vavan’ny marina dia loharanon’aina; fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, tototra faharatsiana.
12
Ny fankahalana, mihantsy ady; fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra.
13
eo amin’ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena, fa tsora-kazo kosa no ho eo amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.
14
Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.
15
Tanàna mimanda ho an’ny manana, ny hareny, fa ny loza mahazo ny tsy manana kosa dia ny fahantrany.
16
Ny asan’ny marina dia ho an’ny fiainana; fa ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy kosa dia ho an’ny fahotana.
17
Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.
18
Fandainga ny molotr’izay manafina ny fankahalana, ary adala izay mitati-bolana.
19
Ny teny maro tsy ilaozan’ny ota, fa ny mahatam-bava no olon-kendry.
20
Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina, fa tsy misy vidiny kosa, ny fon’ny ratsy fanahy.
21
Ny molotry ny marina, mamahana olona betsaka, fa ny ratsy fanahy kosa, matin’ny tsy fananany fahalalana.
22
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
23
Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.
24
Izay atahoran’ny ratsy fanahy, mihatra aminy; ary izay irin’ny marina kosa omen’Andriamanitra azy.
25
Toy ny fihelenan’ny tafio-drivotra no anjavonan’ny ratsy fanahy; fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoerana ny marina.
26
Tahaka ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso, no ataon’ny malaina, amin’izay maniraka azy.
27
Ny fahatahorana an’i Iaveh, maha lava andro, fa ny taonan’ny ratsy fanahy kosa hohafohezina.
28
Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.
29
Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina, fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.
30
Ny marina tsy hangozohozo na oviana na oviana; fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina amin’ny tany.
31
Ny vavan’ny marina, itsimoham-pahendrena; fa ny lela mandainga kosa hongotana.
32
Ny molotry ny marina mahalala izay mahafinaritra, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, mahalala ny haratsiana.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31