bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Proverbs 24
Proverbs 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
1
Aza mialona ny ratsy fanahy, na maniry hiaraka aminy akory.
2
Fa fandozàna no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.
3
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy.
4
Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5
Feno hatanjahana, rehefa olon-kendry, ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.
6
Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.
7
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady;
8
Izay misaintsaina hanao ratsy, no atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9
Ota no fikasan’ny adala, ary fahavetavetana eo imason’ny olona mpamazivazy.
10
Raha osa amin’ny andron’ny fahoriana ianao, dia fahosana ihany ny herinao.
11
Afaho izay entina hovonoina ho faty; ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina.
12
Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?
13
Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.
14
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
15
Aza manotrika eo amin’ny fonenan’ny marina, ry ilay ratsy; ary aza mandrava ny toerana fitsaharana,
16
fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza.
17
Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin’ny faharavàny,
18
fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany.
19
Aza sosotra noho ny amin’ny ratsy fanahy, na mialona an-dry zareo olon-dratsy,
20
fa tsy manan-kiafarana ny manao ratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.
21
Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.
22
Fa hidona tampoka ny lozan’ireny, ary iza moa no mahalala izay hanjò azy isany?
23
Izao manaraka izao no avy amin’ny hendry: Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.
24
Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,» dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.
25
Fa izay mamay azy kosa ankalazaina, mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.
26
Manoroka ao amin’ny molotra, izay mahavoaka valy marina.
27
alamino ny asanao eo ivelany; ny sahanao aloha no iraiketo asaina, vao izay no manao ny tranonao ianao.
28
Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana, fa ianao angaha te hamitaka amin’ny molotrao?
29
Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko; hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.»
30
Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala.
31
Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy.
32
Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:
33
Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory,
34
dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31