bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 1
Ezekiel 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
1
Ary tamin’ny taona faha-30, volana fahefatra, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.
2
Tamin’ny andro faha dimin’ny volana nahababo an’i Joasina, mpanjaka tamin’izay,
3
- tonga tamin’i Ezekiela zanak’i Bozì, mpisorona, ny tenin’i Iaveh, tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara, ary mby teo aminy teo ny tanan’i Iaveh.
4
Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
5
Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manana aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrika olombelona izy.
6
Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy.
7
Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian’ny zanak’omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahina voadio ireo.
8
Nisy tanan’olona avy teo ambanin’ny elany, amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman’elany avy, izy efatra.
9
Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.
10
Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloana tarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.
11
Toy izany ireo tarehiny. Nivelatra teo amboniny, ny elatr’izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin’ny an’ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany.
12
Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy; izay nasain’ny fanahy naleha no nalehany; tsy nihodina izy raha nandeha.
13
Ny fijery an’ireo zava-manana aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampanjambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin’ny afo.
14
Ary nivoivoy nankatsỳ nankarỳ ireo zava-manana aina ireo, tahaka ny tsela-baratra no fijery azy.
15
Dia nibanjina ireo zava-manana aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin’ny tany, teo anilany, anoloan’ny tavany efatra.
16
Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.
17
Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, sady tsy miherika eny am-pandehanany.
18
Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny faribolan’ireo kodiarana efatra ireo.
19
Raha nandeha ireo zava-manana aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin’ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana.
20
Izay nasain’ny fanahy alehany, no nalehan’izy ireo; fa naingain’ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.
21
Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin’ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.
22
Teo ambonin’ny lohan’ireo zava-manana aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin’ny lohany.
23
Ka teo ambanin’io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy.
24
Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakopaky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony nijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.
25
Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany.
26
Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
27
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.
28
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48