bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 22
Ezekiel 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 23 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2
Ary ianao, ry zanak’olona, moa hitsara va ianao; moa hitsara ny tanàna mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany;
3
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ry tanana mpandatsa-dra ao anatiny, hahatonga ny fotoany sy mivongika sampy vetaveta hahaloto azy.
4
Tonga meloka ianao, tamin’ny ra nalatsakao, nandoto tena tamin’ny sampy vetaveta nataonao; ary nanafaingana ny andronao tamin’izany ka tonga amin’ny fara taonanao; izany no nanaovako anao ho fandàtsan’ny firenena amam-pihomehezan’ny tany rehetra.
5
Na ny akaiky, na ny lavitra, samy hanebaka anao, voaloto anarana sy be tabataba.
6
Indreto ny lehiben’i Israely, eo aminao, fa samy mikezaka ny handatsa-dra, araka ny heriny avy.
7
Ao aminao, ny ray aman-dreniny, tsiratsiraina; ao anatinao, ny vahiny, levilevena; ao aminao ny kamboty ama-mpitondratena, amam-pahoriana.
8
Ny fitoerako masina, hamavoinao; ny sabatako, tevatevainao.
9
Ao aminao, misy olona manendrikendrika, mba handatsa-dra; ao aminao, misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao anatinao, misy manao heloka be vava.
10
Ao aminao, misy manokatra ny fitanjahan-drainy; ao aminao misy manao an-keriny amin’ny mararin’ny fadim-bolana.
11
Ny iray, manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; ny iray hafa, mifotitra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanaka vavin-drainy.
12
Ao aminao, misy mandray kolikoly handatsa-dra; manao zana-bola be loatra ianao, sady maka zana-bola, sy miharaka ny haren’ny namanao; ary Izaho hadinonao, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
13
Indro Aho miteha-tanana, noho ny tombony azonao tsy an-drariny, sy noho ny ra izay eo aminao.
14
Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tananao, amin’ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka.
15
Haeliko any amin’ny firenena ianao, sy hahahako any amin’ny tany samihafa, ary hesoriko ho afaka aminao ny lotonao rehetra;
16
ka eo aminao ianao ho voaloto eo imason’ny firenena, dia ho fantatrao fa Iaveh Aho.
17
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
18
Ry zanak’olona, amiko ny taranak’i Israely, dia efa niova ho tain-drendrika; izy rehetra dia varahina, fira-potsy, vy, ary fira-mainty ao anatin’ny memy; zary taim-bolafotsy izy.
19
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo rehetra tonga taim-bolafotsy, noho izany, dia indro, hangoniko eo afovoan’i Jerosalema, ianareo.
20
Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.
21
Hanangona sy hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao afovoan’i Jerosalema ianareo.
22
Toy ny fandrendrehana volafotsy ao anaty memy no hahavoarendrika anareo ao afovoany, dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh, nampidina ny fahatezerako taminareo.
23
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
24
Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Tany tsy voadio ianao, tsy voasasan’ny ranonorana, tamin’ny andron’ny fahatezerana.
25
Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.
26
Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny mahasamy hafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina Aho, eo afovoan’izy ireo.
27
Ny lehibeny, eo afovoany, toy ny amboadia mamiravira haza, dia mandatsa-dra, mahavery fanahy hahazoana tombony.
28
Ny mpaminany manarontsarona izany heloka rehetra izany, mahita fahitana zava-poana amam-paminaniana lainga, milaza hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh, nefa i Iaveh tsy niteny tsinona.
29
Ny vahoaka amin’ny tany manao an-keriny, mandroba lava, manitsakitsaka ny ory sy ny mahantra, ary mampahory tsy an-drariny ny vahiny.
30
Nitady Aho, raha misy olona eo aminy, manao manda sy mitsangana eo amin’ny banga, eo anatrehako, hiaro ny tany mba tsy handravako azy, nefa tsy nahita Aho.
31
Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48