bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 40
Ezekiel 40
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 41 →
1
Tamin’ny taona faha-25n’ny nahababo antsika, tamin’ny fiandohan’ny taona, andro fahafolon’ny volana, taona faha-14n’ny naharavan’ny tanàna, tonga tamiko androtr’izay ihany ny tanan’i Iaveh, ka nitondra ahy ho any amin’izany fitoerana izany.
2
Tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra no itondrany ahy, ho any amin’ny tanin’i Israely, dia napetrany teo amin’ny tendrombohitra anankiray avo dia avo; ary nisy hoatra ny tanàna naorina eo amin’ny ilany atsimo amin’izany tendrombohitra izany.
3
Nony tongany teo amin’io fitoerana io aho, dia nahita lehilahy anankiray, ka ny tarehiny toa nitarehim-barahina no fijery azy; ary kofehy rongony aman-tehina fandrefesana no teny an-tanany, ary teo amin’ny vavahady izy.
4
Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»
5
Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin’ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatanana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin’io rafitra io, ka eran’ny volotara; ary ny haavony, ka eran’ny volotara.
6
Raha efa izany dia nankeo amin’ny vavahady, dia ilay mitodika miantsinanana ny anoloany, ka niakatra ny ambaratonga izy; ary norefesiny ny tokonam-bavahady, ka eran’ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, eran’ny volotara ny sakany
7
Ny efitrano tsirairay avy dia eran’ny volotara ny lavany, eran’ny volotara ny sakany; dimy hakiho avy no elanelan’ny efitra. Ny tokonam-bavahady anilan’ny efitra fidirana amin’ny vavahady tandrifin’ny trano dia eran’ny volotara.
8
Norefesiny ny efitra fidirana amin’ny vavahady tandrifin’ny trano dia eran’ny volotara.
9
Norefesiny indray ny efitra fidirana amin’ny vavahady ka nisy valo hakiho; ary ny andriny, roa hakiho. Ny efitra fidirana amin’ny vavahady dia tandrifin’ny trano.
10
Ny efitry ny vavahady atsinanana dia telo no teo an-daniny iray, telo koa no teo an-daniny iray; mitovy refy avokoa izy telo avy ireo; sady mitovy refy ny andriny.
11
Norefesiny ny vavan’ny vavahady, ka folo hakiho ny sakany, telo ambin’ny folo hakiho ny halavany.
12
Teo anoloan’ny efitra nisy fefy, iray hakiho avy ny lafiny; ny efitra dia samy enina hakiho ny lafiny iray, ary enina hakiho ny lafiny iray hafa.
13
Norefesiny ny vavahady hatramin’ny tafon’ny efitra iray, ka hatramin’ny tafon’ny iray hafa; nisy 25 hakiho ny sakany, hatramin’ny varavarana anankiray ka hatramin’ny varavarana iray hafa.
14
Ary 60 hakiho no nisainy momba ny andry, ary nifanolotra tamin’ireo andry ireo ny kianja manodidina ny vavahady.
15
Ny elanelan’ny hatreo anoloan’ny vavahady fidirana, ka hatreo anoloan’ny trano fidirana anatiny, dia 50 hakiho.
16
Nisy varavarankely makarakara, tamin’ny efitra sy tamin’ny andry, amin’ny lafiny manodidina ao anatin’ny vavahady; toy izany koa tamin’ny efitra fidirana; ka dia varavarankely manodidina ny tao anatiny, ary nisy rofia avokoa ny andry.
17
Dia nentiny aho, ho eo amin’ny kianja ivelany; ary teo dia nisy efitrano sy lampivato voavoatra manodidina ny kianja ary nisy efitrano 30 manaraka ny lampivato.
18
Nanaraka an’ireo vavahady ny lampivato, sady nifanerana tamin’ny halavan’ny vavahady; ny lampivato ambany io.
19
Norefesiny ny sakan’ny teo anoloan’ny vavahady ambany hatreo amin’ny anoloan’ny kianja anatiny, ka nisy zato hakiho ny teo atsinanana sy teo avaratra.
20
Ny amin’ny kianja ivelany, izay mitodika mianavaratra ny anoloany dia norefesiny koa ny lavany sy ny sakany,
21
- ny efitra aminy telo an-daniny avy, sy ny andriny aman’efitra fidirana, mitovy refy amin’ireo vavahady voalohany - 50 hakiho ny lavany, ary 25 ny sakany.
22
Ny varavaran-keliny sy ny efitra fidirany aman-drofiany, sahala refy amin’ireo eo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana ny anoloany; ambaratonga fito no iakarana mankeo, ary mifanatrika amin’ny ambaratonga ny efitra fidirana.
23
Nisy vavahady teo amin’ny kianja anatiny mifanandrify amin’ny vavahady avaratra, tahaka ny amin’ilay atsinanana. Norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray hafa, dia 100 hakiho.
24
Dia nentina indray aho nianatsimo, ary inty vavahady mianatsimo; norefesiny ny andry sy ny efitra fidirana ao, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny;
25
- ny manodidina dia nisy varavarankely mitovy amin’ireo varavarankely hafa ihany koa mbamin’ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
26
Ambaratonga fito no iakarana mankeo, teo anoloan’ireo ny efitra fidirana; nisy rofia ny andriny: ny iray teo an-daniny, ny iray koa teo an-daniny hafa.
27
Nisy vavahady koa nitodika mianatsimo, ao amin’ny kianja anatiny; norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray mandeha mianatsimo, ka zato akiho.
28
Nentiny niditra teo amin’ny vavahady atsimo aho, ho ao amin’ny kianja anatiny; ary norefesiny ny vavahady atsimo, ka sahala ny refiny -
29
ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana dia nitovy refy; nisy varavarankely manodidina teo aminy sy tamin’ny efitrano fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
30
Nisy efitra fidirana manodidina azy: 25 hakiho ny halavany, ary 5 hakiho ny sakany.
31
Ny efitra fidirana dia eo amin’ny lafin’ny kianja ivelany; nisy rofia tamin’ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho ao.
32
Avy eo dia nentiny aho ho eo amin’ny kianja anatiny mandeha miantsinanana; ary norefesiny ny vavahady, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny -
33
ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana, toraky ny teo ihany koa ny refiny; ary nisy varavarankely manodidina teo aminy sy teo amin’ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
34
Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny efitra fidirany; nisy rofia tamin’ny andriny teo an-daniny roa avy, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.
35
Dia nentiny aho, eo amin’ny vavahady avaratra; ka toraky ny teo ihany koa ny refiny nandrefesany ny teo -
36
nisy varavarankely manodidina koa ny efitra sy ny andriny ary ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
37
Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny andriny, nisy rofia tamin’ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.
38
Nisy efitrano mbamin’ny varavarana momba azy, teo anilan’ny andrin’ny vavahady; teo no nanasana ny sorona dorana.
39
Teo amin’ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, sy sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana.
40
Teo amin’ny lafiny ivelany ao avaratra raha miakatra hiditra ny vavahady, dia nisy latabatra roa; ary teo amin’ny ilany iray, amin’ny efitra fidirana eo amin’ny vavahady koa nisy latabatra roa.
41
Koa nisy latabatra efatra izany, teo amin’ny ilan’ny vavahady, ary efatra koa tamin’ny ilany iray, dia valo no tontaliny, hatao famonoana ny sorona.
42
Nisy koa latabatra efatra, ho an’ny sorona dorana, natao tamin’ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny haavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa.
43
Nisy farango vodivoam-pelatanana ny habeny, naompana teny amin’ny rindrina manodidina; ary ny hena atao sorona, dia tsy maintsy napetraka teo ambony latabatra.
44
Teo ivelan’ny vavahady anatiny, nisy ny efitranon’ny mpihira, teo amin’ny kianja anatiny: ny iray teo anilan’ny vavahady avaratra mitodika mianatsimo ny anoloany, ny iray teo anilan’ny vavahady atsinanana mitodika mianavaratra.
45
Hoy izy tamiko: «Ilay efitrano mitodika mianatsimo, dia an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny trano;
46
ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny ôtely. Ireo taranak’i Sadôka amin’ny taranak’i Levì no manatona an’i Iaveh, hanao ny fanompoana azy.»
47
Dia nandrefy ny kianja, izay efa-joro sokera, izy, ka zato hakiho ny lavany, zato hakiho koa ny sakany; ary ny ôtely dia teo anoloan’ny trano.
48
Nentiny ho eo amin’ny efitrano fidirana ao an-trano aho nony avy eo, dia norefesiny ny andrin’ny efitrano fidirana, ka dimy hakiho ny lafiny iray, dimy hakiho koa ny lafiny iray; ary haben’ny alo-baravarana koa: telo hakiho ny lafiny iray; telo hakiho ny lafiny iray hafa.
49
Ny efitra fidirana 20 hakiho ny halavany; 11 hakiho ny sakany, amin’ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahina teo anilan’ny andry: iray teo amin’ny lafiny iray; iray teo amin’ny lafiny iray hafa.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48