bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 37
Ezekiel 37
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
1
Tonga tamiko ny tanan’i Iaveh ka nentin’i Iaveh nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin’ny tany lemaka feno taolana.
2
Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon’ity tany lemaka, sady maina dia maina.
3
Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Iaveh Tompo ô, Ianao no mahalala!»
4
Dia hoy Izy tamiko: «Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Iaveh!
5
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo.
6
Hasiako hozatra eo aminareo, hampidirako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo; ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»
7
Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injay zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana.
8
Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy teo aminy.
9
Ary hoy izy tamiko: «Maminania amin’ny fanahy; maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazantany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.»
10
Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin’ny tongony; tafika lehibe, tena lehibe indrindra.
11
Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: ‹Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!›
12
Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.
13
Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa voasokatra ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.
14
Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa.» - teny marin’i Iaveh.-
15
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
16
Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»
17
Ampifanatony izy roa, mba ho hazo iray ihany, ka ho iray ihany izy eny an-tananao.
18
Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao, hanao hoe: «Tsy ho voasanao aminay va, izay ambaran’izany araka ny hevitrareo?»
19
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon’i Josefa, eny an-tanan’i Efraima sy ny firenen’i Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin’ny hazon’i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tanako izy ireo.
20
Ho eny an-tananao, eo imasony, ireo hazo hosoratanao.
21
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.
22
Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany, eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa.
23
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.
24
I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.
25
Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.
26
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
27
Ny fonenako ho eo ambonin’izy ireo; Izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako.
28
Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho manamasina an’i Israely, rehefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48