bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 12
Ezekiel 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, manao hoe:
2
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
3
Koa mifeheza entana ianao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy.
4
Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony ianao, hoatra ny fiaingan’ny olona mifindra tany honenana.
5
Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao;
6
ataovy an-tsoroka eo imasony izany, dia ento rehefa ilay maizimaizina iny; saròny ny tavanao, ataovy amin’izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an’ny taranak’i Israely ianao.»
7
Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.
8
Nony maraina, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
9
Ry zanak’olona, moa ny taranak’i Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: «Inona ity ataonao?» Lazao aminy hoe:
10
Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ity teny faminaniana ity, dia ho an’ny andriana ao Jerosalema, mbamin’ny taranak’i Israely rehetra, ao amin’izany tanàna izany.
11
Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin’izy ireo; hasesitany izy, ho any amin’ny fahababoana.
12
Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny entany, rehefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan’ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy.
13
Hamela-pandrika harato aminy Aho, ka ho voan’ny fandrika izy; hoentiko any Babilôna izy, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any.
14
Izay rehetra manotrona azy, ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra, dia haeliko any amin’ny vazantany rehetra, sady henjehiko amin’ny sabatra voatsoaka.
15
Dia ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa naeliko any amin’ny firenena izy, sy nahahako any amin’ny tany hafa.
16
Hisy olona vitsivitsy amin’izy ireo anefa, havelako ho afaka amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin’ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
17
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
18
Ry zanak’olona, hihinana amin-korohoro ny haninao ianao, ary hisotro amin-tebiteby sy amin’ahiahy ny ranonao.
19
Ary hilaza amin’ny vahoakan’ny tany ianao hanao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ny amin’ny tanin’i Israely: Amin’ahiahy no hihinanan’izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin’ny tany, noho ny fampahoriana afitsoka izay rehetra monina eo aminy.
20
Ny tanàna nonenana ho lao; ny tany, ho foana; dia ny fantatrareo fa Iaveh Aho.
21
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
22
Ry zanak’olona, inona ity fitenenana ataonareo fiteny eo amin’ny tanin’i Israely hoe: Mihalava ny andro; tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?
23
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin’i Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin’izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin’ny fahatanterahan’ny tenin’ny fahitana rehetra.
24
Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka, na ny faminaniana sandoka, eo amin’ny taranak’i Israely.
25
Fa Izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin’izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -
26
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
27
Ry zanak’olona, indro ny taranak’i Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan’ilay io mbola ho amin’ny andro lavitra, ary ho amin’ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.
28
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48