bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 8
Ezekiel 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
1
Tamin’ny taona fahenina, andro fahadimin’ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tanan’i Iaveh Tompo.
2
Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin’afo; ka ny hatramin’izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin’ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy.
3
Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.
4
Ary indro teo ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely; ary ny fijery azy dia tahaka ilay nahitako azy, tany amin’ny lohasaha.
5
Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io.
6
Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»
7
Dia nentiny ho eo am-bavahadin’ny kianja aho, ka nahatazana aho: ary indro nisy loaka anankiray teo amin’ny rindrina.
8
Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, gorobahy ny rindrina.» Dia nogorobahako ny rindrina, ka indro nisy varavarana teo.
9
Ary hoy izy tamiko: «Avia, jereo ireto fahavetavetana mahatsiravina ataony eto.»
10
Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra.
11
Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.
12
Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»
13
Ary hoy koa izy tamiko: «Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon’izy ireo.»
14
Dia nentiny aho, ho eo anoloan’ny vavahady, mitodika mianavaratra, amin’ny tranon’i Iaveh, ka indreo, ny vehivavy nipetraka teo, mitomany an’i Tamoza.
15
Ary hoy Izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola hahita fahavetavetana hafa lehibe noho izany, ianao.»
16
Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.
17
Ka hoy izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an’ny taranak’i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka niverenany hatao lalandava izay hampahatezitra Ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin’ny orony.
18
Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48