bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 45
Ezekiel 45
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
1
Rehefa mizara ny tany amin’ny filokana ianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin’ny tany, mba ho fanatitra ho an’i Iaveh: 25.000 hakiho ny lavany, ary 25.000 ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin’ny manodidina rehetra.
2
Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, 500 hakiho ny lavany, 500 ny sakany, dia efa-joro sokera amin’ny manodidina rehetra, ary 50 hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky.
3
Amin’izany tany voarefy izany no handrefesanao 25.000 ny lavany, 10.000 ny sakany, ka ao ny hisian’ny fitoerana masina, dia ny fitoerana masina indrindra.
4
Ho anjara masina amin’ny tany izany, ka ho an’ny mpisorona manao fanompoana momba ny fitoerana masina sy manatona hanompo an’i Iaveh: ho fitoerana misy ny tranon’izy ireo izany, ary ho fitoerana masina misy ny fitoerana masina koa.
5
Ary 25.000 hakiho ny halavany, 10.000 ny sakany, no ho an’ny Levita, izay manao ny fanompoana momba ny trano; hanan-tanàna ao izy, honenany ao.
6
Mamarita 5.000 hakiho ny sakany, 25.000 ny lavany, mifanolotra amin’ny voatokana ho anjara masina, ho anjara fananan’ny tanàna; ny taranak’i Israely no hanana an’izany.
7
Ny ho an’ny mpifehy dia angalao eo an-daniny roa amin’izay voatokana ho anjara masina sy ny anjara fananan’ny tanàna, ny andrefana mikipaka miankandrefana, ny atsinanana mikipaka miantsinanana, ny lavany mifanerana amin’ny lavan’ny anjara anankiray, avy amin’ny sisiny andrefana, ka hatramin’ny sisiny atsinanana.
8
Izany no ho taniny sy anjara fananany eo amin’i Israely; ary tsy hampahory ny vahoakako intsony ny mpifehy, fa hamela ny tany ho an’ny taranak’i Israely, arakaraka ny fokony avy.
9
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpifehy eo amin’i Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin’ny vahoakako ny fihoràhanareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
10
Manaova mizàna marina, efah marina, ary bata marina.
11
Hitovy fatra ny efah sy ny bata, ka ny efah dia ho ampahafolon’ny homera, ary ny bata ho ampahafolon’ny homera; ny homera no hangalana fatra azy. Ho roapolo gerah ny sikla.
12
Ny mina ao aminareo ho roapolo sikla, 25 sikla, 15 sikla.
13
Izao no fanatitra hatokanareo: ampahenin’ny efah ny frômenta iray homera, ampahenin’ny efah isaky ny orja iray homera.
14
Ny didy momba ny diloilo, momba ny diloilo iray bata: ampahafolon’ny bata isaky ny iray kora, izay mitovy amin’ny iray homera misy folo bata, fa folo bata no iray homera.
15
Ondry iray, avy ao amin’ny vala, isan-droan-jato eny amin’ny tany be vilona, eo amin’i Israely no hatao fanatitra, sorona dorana, sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho azy ireo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
16
Ny vahoaka rehetra amin’ny tany no tsy maintsy manokana izany ho an’ny mpanapak’i Israely.
17
Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.
18
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny volana voalohany, ny andro voalohan’ny volana, mangalà vantotr’ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an’ny fitoerana masina.
19
Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hatentina amin’ny tolàn’ny trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny rindrin’ny ôtely ary amin’ny tolàn’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny.
20
Toy izany koa no hataonao, amin’ny andro fahafiton’ny volana ho an’izay nanota tsy nahy, na noho ny hakelezan-tsaina; dia fifonana ho an’ny trano no hataonareo.
21
Amin’ny volana voalohany, andro 14n’ny volana no hanaovanareo ny Paka, fety maharitra herinandro; mofo tsy misy lalivay no hohanina.
22
Hanolotra omby iray ny mpanapaka amin’izany andro izany, hatao fanatitra noho ny ota, ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakan’ny tany.
23
Ary mandritra ny hafitoana amin’izany fety izany dia hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy, dia ombalahy fito, ondralahy tsy misy kilema, fito, isan’andro avy, amin’ny andro fito, ary osilahy iray isan’andro hatao sorona noho ny ota.
24
Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan’ombalahy sy iray efah isan’ondralahy, ary diloilo iray hina isan’efah.
25
Amin’ny volana fahafito, andro faha-15n’ny volana, mandritra ny fety dia haterina mandritra ny hafitoana, ireo sorona noho ny ota sy ireo sorona dorana, ary ireo fanatitra mbamin’io diloilo io ihany koa.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48