bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 26
Ezekiel 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 27 →
1
Tamin’ny taona faha-11, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema nataony hoe: «Hia! Hia! vaky ilay vavahadin’ny firenena! atỳ amiko indray no todihin’ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»
3
noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hiaviako ianao, ry Tira! Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho, toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.
4
Horavan’ireo ny mandan’i Tira, sady harodany ny tilikambony; haìliko lavitra azy no vovo-taniny; ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;
5
dia ho fitoerana hanahazana harato, ao afovoan’ny ranomasina izy, fa efa niteny Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; - ka ho babon’ny firenena izy.
6
Ny zanany vavy eny an-tanety hovonoina amin’ny sabatra, ka ho fantatra fa Iaveh Aho.
7
Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
8
Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.
9
Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin’ny mandanao, ary handrava ny tilikambonao amin’ny faraingony.
10
Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny ka ho tototry ny vovo-taniny ianao; ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly, sy ny kodiarana aman-kalesy, dia hihozongozona ny mandanao, rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy, toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.
11
Ny lalam-benao rehetra, hohitsakitsahin’ny kitron-tsoavaliny; ny olonao, hovonoiny amin’ny sabatra, ary ny andrinao mafy, hazerany amin’ny tany.
12
Ny harenao, halainy; ny entam-barotrao, hobaboiny; ny mandanao, harodany; ny lapa soanao, hazerany; ary hariany eny amin’ny rano ny vato aman-kazonao mbamin’ny vovokao.
13
Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.
14
Hataoko vatolampy mangadihady ianao; dia ho fitoerana fanahazana harato; tsy haorina intsony ianao; fa Izaho Iaveh, efa niteny, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
15
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Tira: Ny fikotrokotroky ny fianjeranao, rehefa hidridridridry ny maratra eo aminao, rehefa handripaka, ny vonoana eo afovoanao, moa va tsy hihorohoroan’ny nosy izany?
16
Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany ireo andrian’ny ranomasina rehetra; hanesotra ny lambany, hanala ny fitafiany misy amborodao; hitafy fangorohoroana, hitombina amin’ny tany, hangovitra isan-tapak’andro, ary ho talanjona noho ny aminao.
17
Hanao hira falahelovana anao izy, ka hanao aminao hoe: Endrey izao faharavanao izao, ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina, tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina, ianao mbamin’ny mponina teo aminao, nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.
18
Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy, amin’ny andro hianjeranao, ary ny nosy eo amin’ny ranomasina, dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.
19
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Raha avy izay hanaovako anao ho tanàna haolo, toy ireo tanàna tsy misy mponina; rehefa hampiakarako ho eo amboninao ny rano lalina, ka hanaforan’ny ranobe anao,
20
dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao, ho any amin’ireo vahoaka fahagola; ka hamponeniko any ambanin’ny tany, any amin’ny fanginginana mandrakizay, miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony ianao; ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.
21
Hataoko zavatra mahatsiravina ianao; ary tsy hisy intsony ianao; hotadiavin’ny olona ianao, nefa tsy ho hitany intsony; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48