bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 17
Ezekiel 17
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:
3
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libàna ny voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron’ny sedera.
4
Notsoahany ny rantsany avo indrindra, nentiny ho any amin’ny tany Kanaana anankiray, nataony tao an-tanànan’ny mpandranto anankiray.
5
Raha efa izany dia nangalany koa ny zava-maniry tamin’ny tany nataony teo amin’ny tany lonaka, nataony teo amoron’ny rano be, namboleny toy ny famboly hazomalahelo.
6
Naniry io, tonga foto-boaloboka nisandrahaka, ivaiva ihany, nitodika nankany amin’ilay voromahery ny rantsany, ary tao ambaniny koa ny fakany; tonga voaloboka izy, ka sady nanaroka no nandrantsana.
7
Nisy voromahery makadiry hafa koa, sady be elatra no matevim-bolo; ary indro fa ity voaloboka dia maimay handefa ny fakany mankany aminy, ary nanatsotra ny rantsany mankany aminy, avy eo amin’ny kisahasaha nambolena azy, mba hotondrahany.
8
Ny nambolena azy dia teo amin’ny tany tsara, amoron’ny rano be, mba handravina sy hamoa izy, ary ho tonga voaloboka tsara indrindra.
9
Lazao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ka hahintsana koa ny voany, mba hahamaina azy? Halazo ny raviny tanora rehetra nitsimoka taminy. Tsy ilàna sandry mahery na olona maro akory ny hamongotra azy amin’ny fakany.
10
Efa voavoly izy, fa moa ho vanona va? Tsy halazo va izy, raha vao tsofin’ny rivotra avy atsinanana? Halazo eo amin’ny kisahasaha naniriany izy.
11
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Lazao amin’ny taranaka miodina hoe:
12
Tsy fantatrareo va ny hevitr’izany? Lazao hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilôna, ka naka ny mpanjakany ama-mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babilôna.
13
Raha efa izany dia naka ny anankiray tamin’ny taranak’andriana izy, ka nanao fanekena taminy sy nampianiana azy.
14
Ny lehilahy mahery amin’ny tany dia efa nalainy hietren’ny fanjakana, tsy ho afa-miarina, ary hitana ny fanekeny mba haharitra.
15
Niodina tamin’io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve!
16
Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - dia any amin’ny tanànan’ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin’io any Babilôna no hahafatesany.
17
Ary rehefa avy ny ady, ka hanandratra tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin’ny tafika lehibe sy vahoaka maro i Faraôna.
18
Nanamavo ny fianianana izy, tamin’ny nivadihany ny fanekena, nefa efa nanolo-tanana; efa nanao izany rehetra izany izy, ka tsy ho afa-mandositra.
19
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho, dia ny fianianana tamiko no nohamavoiny ary ny fanekeko no nivadihany, ka hatsingeriko eo an-dohany izany.
20
Hovelariko eo amboniny ny fandrika haratoko, ka ho voa ao amin’ny haratoko izy; hoentiko any Babilôna izy, ka hotsaraiko any, noho ny nivadihany fitokiana tamiko.
21
Ny mpandositra rehetra tamin’ny miaramilany rehetra, ho lavon’ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin’ny vazantany rehetra; dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no niteny.
22
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
23
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan’izao fody amam-boro-madinika rehetra izao eo amboniny, honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
24
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa Izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48