bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ezekiel 16
Ezekiel 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
1
Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe:
3
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreana ny rainao, ary Heteanina ny reninao.
4
Toy izao ny amin’ny fahaterahanao: tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza.
5
Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao; fa tamin’ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.
6
Nandalo teo akaikinao Aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin’ny ranao, ka nanao taminao hoe: «Miveloma amin’ny ranao.»
7
Dia nampitomboiko, toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitra ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy.
8
Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka dia Ahy ianao.
9
Nampandroiko tamin’ny rano ianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo.
10
Notafiako amborodao ianao, nokiraroako hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.
11
Nohaingoiko tamin’ny firavaka ianao: nasiako haba ny tananao, sy rado ny vozonao;
12
nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao; ary diadema kanto ny lohanao.
13
Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana.
14
Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehinao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
15
Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.
16
Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avo samihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny ianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony.
17
Nalainao koa ny firavakao, tamin’ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy.
18
Ny fitafianao misy amborodao, nalainao natafinao an’ireo; ny diloilo aman’emboka manitra, napetrakao eo anoloan’ireo.
19
Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloilo aman-tantely namahanako anao, nataonao teo anoloan’ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, - teny marin’i Iaveh Tompo.
20
Ny zanakao lahy aman-janakao vavy naterakao ho Ahy, natolotrao ho sorona tamin’ireny handevonany azy.
21
Tsy ampy va ny nitoloranao tena hivarina amin’ireny no dia novonoinao sy natolotrao an’ireo koa ny zanako; nampamakianao ny afo ho fanajana an’ireo?
22
Ary tao anatin’ny fahavetavetana amam-pivarinanao amin’ny hafa rehetra ianao, tsy nahatsiaro akory ny andro nahakely anao, nitanjahanao, niboridananao mihitsy, ary nitsipatsipahanao tamin’ny ranao.
23
Manaraka ny ratsy rehetra nataonao, - lozanao lozanao! teny marin’i Iaveh Tompo; -
24
nanao zohy amam-pitoerana avo ho anao teny amin’ny kianja rehetra teny ianao.
25
Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.
26
Nivarina tamin’ny zanak’i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana ianao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra Ahy.
27
Ka indro, naninji-tanana taminao Aho: ny anjaranao nahenako; ianao, natolotro hianjadian’ny fahavalonao, dia ireo zanaka vavin’ny Filistinina izay menatra noho ny fitondran-tena ratsinao.
28
Nivarina tamin’ny zanak’i Asora ianao, satria mbola tsy afa-po; ary na efa nivarina tamin’ireo aza ianao mbola tsy afa-po ihany.
29
Nampitomboinao ny fijangajanganao, teo amin’ny tany Kanaana, ka hatrany Kaldea, nefa na izany aza, tsy mbola nahafapo anao ihany.
30
Akory izany halemen’ny fonao, - teny marin’i Iaveh Tompo, - no dia nahavitanao izany rehetra izany, izay fanaon’ny vehivavy janga tsy valahara indrindra.
31
Tamin’ny nanaovanao ny zohinao isan-tsampanan-dalana, sy nanaovanao fitoerana avo teny amin’ny kianja rehetra teny, dia efa tsy toy ny vehivavy janga akory ianao, fa efa tsy nahoanao intsony izay tangy;
32
fa efa toy ny vehivavy maka vadin’olona ka maka olon-kafa ho solon’ny vadiny.
33
Ny vehivavy janga rehetra, omen-tangy; fa ianao kosa, nanangy ny lehilahinao rehetra, mba hahatongavany avy any rehetra any ho amin’ny fijangajanganao.
34
Hafa noho ny amin’ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin’ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin’ny nanomezanao tangy fa tsy mba nomena kosa ianao, dia tonga mifanohitra amin’ny ataon’ny olona ny nataonao.
35
Noho izany, henoy ny tenin’i Iaveh:
36
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,
37
noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavinao rehetra, mbamin’izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan’izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy.
38
Hohelohiko araka ny lalàna mahazo ny vehivavy mpaka vadin’olona sy izay mpandatsa-dra ianao, ka hataoko latsa-dra, voan’ny fisafoahana amam-pahasarotam-piaro.
39
Hatolotro eo an-tanan’izy ireo izany: hazerany ny zohinao, horavany ny fitoerana avonao, hendahany ny fitafianao ary halainy ny firavakao, dia havelany ianao hitanjaka dia hiboridana mihitsy eo.
40
Hoentiny miakatra hamely anao ny vahoaka voavory hitora-bato anao sy hanagorobaka anao amin’ny sabany.
41
Handoro ny tranonao amin’ny afo izy, ary hanefa fitsarana mahavoa anao eo imason’ny vehivavy betsaka; hataoko mitsahatra ny fijangajanganao, ka dia tsy hanangy intsony ianao.
42
Hanarana ny hatezerako aminao Aho, dia ho afaka ny fahasarotam-piaroko aminao, ka hionona Aho, fa tsy ho tezitra intsony.
43
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao Ahy tamin’izany ratsy rehetra izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; - teny marin’ny Tompo Iaveh; - fa tsy hanao ny fahalotoanao mbamin’ny fahavetavetanao rehetra intsony ianao.
44
Indro fa ny olona rehetra mpilaza ohabolana dia hanao ohabolana momba anao, hoe: «Ny zanaka vavy, mpanaha-dreny!»
45
Tena zanaka vavin’ny reny nanary vady aman-janaka ianao; sady rahavavin’ny rahavavinao nanary vady aman-janaka koa; Heteanina ny reninareo, ary Amôreana ny rainareo.
46
Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.
47
Tsy nomba ny lalan’ireo sy nanaraka ny fahavetavetany fotsiny ianao: tsy ampy anao izany, fa nihasimba mihoatra noho ireo aza ianao, tamin’izay nalehanao rehetra.
48
Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh; - i Sôdôma rahavavinao sy ny zanany vavy, tsy nahavita tahaka ny vitanao sy ny zanakao vavy.
49
Fa izao no helok’i Sôdôma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan’izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy.
50
Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany Aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.
51
I Samaria koa, tsy nahavita antsasaky ny fahotanao akory, fa nampitombo ny fahotanao mihoatra ny azy ianao; ka nanamarina ny rahavavinao ianao, tamin’ny fahavetavetanao rehetra.
52
Aoka ianao koa hitondra ny henatrao, izay nailikao tamin’ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho ianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa ianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao.
53
Hampodiko ny lasan-ko babo tamin’izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin’i Sôdôma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin’i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin’ny azy,
54
mba hitondranao ny henatrao, sy hampangaihay anao noho ny nataonao rehetra hampionona azy.
55
I Sôdôma rahavavinao sy ny zanany vavy, hody amin’ny toetrany taloha; i Samaria sy ny zanany vavy, hody aminy toetrany taloha; ianao sy ireo zanakao vavy koa, hody amin’ny toetrareo taloha.
56
I Sôdôma, rahavavinao tsy mba notononin’ny vavanao akory, tamin’ny andro niavonavonanao,
57
fony mbola tsy naharihary ny haratsianao; toy ny fony ianao nolatsain’ny zanaka vavin’i Siria mbamin’ny manodidina rehetra, sy novingavingain’ny zanaka vavin’ny Filistinina nanodidina anao.
58
Efa nitondra ny valin’ny heloka amam-pahavetavetanao ianao - teny marin’i Iaveh. -
59
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, ianao ilay nanatsinontsinona ny fianiananao, tamin’ny nivadihanao ny fanekena.
60
Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao.
61
Hahatsiaro ny fitondran-tenanao ianao ka ho menatra, raha avy izay handraisanao ireo rahavavinao, na ny lehibe noho ianao na ny kely noho ianao, sy hanomezako an’ireo ho zanakao vavy, fa tsy noho ny fanekena taminao akory anefa.
62
Hanorina ny fanekena aminao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho,
63
mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra ianao, rehefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48